Auteur/autrice : Adnews

Fanatanjahantena ho an’ny sembana : azo ireharehana ny vokatra azon’ i Madagasikara

Enta-mavesatra eo anivon’ny to­kantrano sy ny fiarahamonina ny fijerin’ny Mala­gasy ny olona manana fahasembanana. Mi­he­vitra izy ireo fa nisy tsy nety nataon’ny ray aman-dreny tany aloha ka antony nahatonga ny zaza iray ho sembana, raha ny fanadihadiana natao. Anisan’ny mampivoatra ny fiainan’ ny sembana ny fanaovana fanatanjahantena. Entin’ny olona mangataka […]

FANTINA sy FINTINA

Hampahafantarina anio, ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany. Efa tokony ho omaly izany saingy mbola nisy fandaminana farany amin’ny ho toerana iandraiketan’ireo minisitra sasany. Mitaky ny fiverenana amin’ny soatoavina « Fihavanana » ny “Nonce Apostolique”, ny Mgr Tomasz Grysa. Niarahaba sy nirary soa […]

Andriamanana Nivoarivony : “Tombontsoa ny fidirana anaty lisi-pifidianana”

“Hisy ny fifidianana kaominaly sy solombavambahoaka. Tombontsoa manokana ho an’ny olompirenena ny miditra ao anatin’ny lisi-pifidianana amin’izany mba hahazoan’izy ireo tsirairay avy misehatra amin’izay fifidianana izay”. Io no fanehoan-kevitry ny avy amin’ny fiarahamonina sivily, ny sekretera jeneralin’ny fikambanana Action sociale pour développer (ASD), An­driamanana Nivoarivony, mo­mba ny fiatrehana fifidianana kaominaly […]

Ho an’ny tanindrazana !

  Mankalaza ny Andron’ny manamboninahitra ny eo anivon’ny Tafika Malagasy sy ny zandarimariam-pirenena, anio. 12 janoary manamarika ny nametrahan’ny mpianatra malagasy tao amin’ny Akademia Miaramila, Andiany voalohany ny maha-izy azy ireo manoloana ny vazaha. Andro manan-tantara ho an’ireo izay nandalo sy nobeazina tao. Zary lasa fomba amam-panao isan-taona ! Manamboninahitra ! Anarana […]

Vovonana Mamita : hiady amin’ny tsimatimanota, miaro ny tanindrazana

Nampahafantarina, tamin’ny fomba ofisialy, tetsy Ampandrana, omaly, ny vovonana Malagasy miaro ny tanindrazana (Mamita). Miompana amin’ny foto-kevitra maromaro ny anto-pijoroany. Tafatsangana ny Vovo­nana Mamita! Anisan’ny foto-kevitra lehibe ijoroany ny famerenana ny firenena ho tany tan-dalàna sy ny ady atao amin’ny fahantrana. “Hitondra vahaolana maharitra manoloana izany isika fa tena efa […]