“Hisy ny fifidianana kaominaly sy solombavambahoaka. Tombontsoa manokana ho an’ny olompirenena ny miditra ao anatin’ny lisi-pifidianana amin’izany mba hahazoan’izy ireo tsirairay avy misehatra amin’izay fifidianana izay”. Io no fanehoan-kevitry ny avy amin’ny fiarahamonina sivily, ny sekretera jeneralin’ny fikambanana Action sociale pour développer (ASD), Andriamanana Nivoarivony, momba ny fiatrehana fifidianana kaominaly sy solombavambahoaka ato ho ato. Amin ’izany no hifidian’ny olompirenena izay tiany hitantana ny kaominina misy azy sy izay hisolo tena azy. Mbola ho avy koa ny fifidianana eny anivon’ny faritra.
Andrasana ny tetiandro havoakan’ny Ceni mahakasika izany. Hatramin’izao, fanentanana no ataon’ny fiarahamonina sivily aty amin’ny fiandohan’ny taona. Mbola misy iray volana hahazoan’ny olompirenena misoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana. Araka ny lalàna, hifarana amin’ny 15 febroary ho avy izao ny fahazoana misoratra anarana. Nisy ny fanakianana hoe tsy tafiditra tao anatin’ny lisi-pifidianana tamin’ny fanavaozana izany tanteraka. Eo koa ireo vao feno 18 taona sy ireo nifindra monina.
Fotoana izao hahazoana misoratra anarana ao anatin’ ny lisi-pifidianana. Hahazoana miatrika ny fifidianana kaominaly sy ny fifidianana solombavambahoaka izay akaiky ny vahoaka kokoa.
R. Nd.




