Auteur/autrice : Adnews

Vinavina tetiandro avy amin’ny Ceni : hatao mialoha ny avrily ny fifidianana ben’ny Tanàna

Ho tapitra tsy ho ela ny fe-potoam-piasan’ireo ben’ny Tanàna manerana ny Nosy. Efa miketrika ny tetiandro hanatanterahana ny fifidianana eny anivon’ny kaominina ny Ceni. Tafiditra ao anatin’ny lahadinik’ireo mpikambana eo anivon’ity rafitra mikarakara fifidianana ity ny fandinihana ny tetiandro hanatanterahana ny fifidianana ben’ny Tanàna, miaraka amin’ny mpanolotsaina. Ani­san’ny horesahan’izy ireo […]

TSELATRA

Malagasy enina indray voasambotra sy notazonin’ny mpitandro filaminana maorisianina ao Maorisy, omaly. Voarohirohy amina raharaha fanaovana trafikana zava-mahadomelina avy aty Madagasikara izy ireo. Efa nisy maorisianina efatra voasambotra, ny zoma teo, raha niampy ireo Malagasy ireo indray izany ny alahady. Tratra ireo rongony 340 kg. Miaramila roa lahy naratra satria […]

Beraketa – Andohanilakaka: nesorin’ireo jiolahy ny mason’ilay raim-pianakaviana

Nitrangana vonoan’olona feno habibiana indray tao amin’ny fokontany Beraketa Malio, kaominina Andohanila­kaka, omaly tamin’ny 9 ora maraina. Raim-pianakaviana iray mpivarotra saribao monina ao Bepeha Andohanila­ka­ka no maty notifirin’ireo jiolahy. Tsy vitan’izay fa mbola nalain’ireo malaso koa ny masony roa rehefa avy notifiriny. Voalaza fa maromaro ireto mpanao saribao ireto no […]

Olona roa efa lasibatra : mpaka an-keriny folo lahy voasambotra

Dahalo roa lahy tompon’antoka amin’ny fakana an-keriny sy ny mpiray tsikombakomba aminy valo lahy azo sambo-belona tao amin’ny kizon’i Mandavolo, fokontany Ampamoty, kaominina Antsalova, ny 7 janoary teo. “Mpiara-miombona antoka amin’ireo roa lahy ireo ny efatra ary voasaringotra anaty fanadihadiana ny efatra hafa”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny Kaompania Zandarimaria Melaky. […]

Telo namoy ny ainy: nifamono ny jiolahy sy ny fokonolona

Manao be fiavy manohitra ny mpanafika sy ny mpambotry azy ny fokonolona, ankehitriny. Miara-miasa akaiky ny zandary sy ny mponina any ambanivohitra Niafara tamin’ny fifampitifirana teo amin’ny fokonolona sy dahalo ny fanarahan-dia natao ireo dahalo efa-dahy mpangalatra omby tao amin’ny tanànan’ Anatanimangotroka, kaominina Ambesisika, ditrikan’Amba­to Boeny, afakomaly. Nirongo fitaovam-piadiana, nanafika […]