Auteur/autrice : Adnews

“Vary evoka”: Tanjon’ny vehivavy mpamokatra ny hanondrana any ivelany

Natao teto Antananarivo, omaly 25 novambra, ny loabary an-dasy mikasika ny vary nohatsaraina “vary evoka” (riz étuvé) niarahana tamin’ny vehivavy mpamokatra eto amin’ny Nosy. Fotoana nizarana traikefa, nitanisana ny olana, ary indrindra ny vahaolana, hampitomboana ny voka-bary sy ny fidiram-bolan’ny mpamokatra. Nikarakara ny fihaonana ny Africa Rice, tari­hin’ny Dr. Mujawa­marya […]

Judo – «TIMAD»: mpikatroka 80 hifaninana

Raikitra ny fifaninanana «Tournoi International de Madagascar» (TIMAD), ta­ranja Judo, tanterahina eny amin’ny kianja mitafon’An­korondrano, manomboka, anio 26 novambra. Mpika­troka 80 mianadahy ny hifaninana sy hiady ny amboara. Adin’ny Renioney sy ny Malagasy ny hitranga mandritra ny roa andron’ny fifaninanana, tsy tonga tamin’ny ora farany mantsy ry zareo Kaomoriana. 57 […]

Lalaon’ny CJSOI 2022: tsy andrenesam-peo ny minisiteran’ny Fanatanjahantena

9 andro mialoha ny ha­nombohan’ny andiany faha-12, amin’ny lalaon’ny tanora aty amin’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI 2022) anio. Fihaonana hotanterahina atsy amin’ny Nosy maorisy ny 4 ka hatramin’ny 11 desambra, ho avy izao. Efa vonona amin’izany avokoa ireo firenena mpifanandrina. Tsy mbola misy resaka kosa hatreto ny an’i Madagasikara. Tsy andrenesam-peo […]

Kitra – «Orange Pro League 2022»: hanala vela amin’ny Fosa Jr ny Ajesaia

Hotanterahina anio asabotsy sy rahampitso alahady ny andro faharoa amin’ny fifaninanam-pirenena, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara Orange Pro League (OPL 2022). Lalao iray tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Fosa Junior Boeny sy ny Ajesaia Bongolava, ho an’ny kaonferansy avaratra. Lalao hotanterahina rahampitso alahady, eny amin’ny kianja Vonto­vorona izany. […]