Kitra – «Orange Pro League 2022»: hanala vela amin’ny Fosa Jr ny Ajesaia

Hotanterahina anio asabotsy sy rahampitso alahady ny andro faharoa amin’ny fifaninanam-pirenena, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara Orange Pro League (OPL 2022). Lalao iray tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Fosa Junior Boeny sy ny Ajesaia Bongolava, ho an’ny kaonferansy avaratra. Lalao hotanterahina rahampitso alahady, eny amin’ny kianja Vonto­vorona izany. Hanala vela amin’ny ekipan’i Boeny, ny boaikelin’ny Ajesaia. Raha tsiahivina, efa resin’ny Fosa tamin’ny isa 2 no ho 1, nandritra ny fiadiana ny amboa­ran’i Madagasikara, farany teo ny Ajesaia. Tsiahivina fa mitarika ao amin’ny kaonferansy avaratra ny Fosa Junior, manana isa telo, arahin’ny Ajesaia, amin’ny isa 1.

Fitia (Mpianatra Asa)

Fandaharan-dalao rehetra

Kaonferansy avaratra
Asabotsy 26 novambra
Kianja Barika dimy Toamasina
2 h 30 : AS Fanalamanga vs Asa Diana
Kianja Alarobia
2 h 30 : Uscafoot vs TFFC
Alahady 27 Novambra
Kianja Vontovorona
2 h 30 : Fosa Junior vs Ajesaia
Kianja Barika dimy Toamasina
2 h 30 : Tia Kitra vs Cosfa
Kaonferansy atsimo
Asabotsy 26 novambra 2022
Kianja Elgeco Plus
2 h 30 : Mama FC vs 3FB Toliara
Kianja Ampasambazaha
2 h 30 : Zanakala FC vs Dato FC
Alahady 27 novambra 2022
Kianja Elgeco Plus
2 h 30 : CFFA vs Disciple FC
Kianja Mahitsy
2 h 30 : Jet Kintana vs Elgeco Plus

Partager sur: