Auteur/autrice : Adnews

Jery taratra…

Lalàna… lalana androsoana Miisa 56 ireo mpirakidraharaha fitsarana tapaka karama, na efa nisy aza ny marimaritra iraisana tamin’ny fampiatoana ny fitokonana notarihin’ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha eto Madagasikara (SGM). Nampiakatra ny raharaha amin’ny fitsarana ry zareo. Nohazavain’ny mpisolovava fa taratasy tsotra no nanapahan’ny minisitry ny Fitsarana karama, fa tsy nisy fampandalovana filankevi-pifehezana. […]

Ilafy: nisy namaky ny toby Soatanana

Lasibatry ny asan-jiolahy ny toby FLM Soatanana Ilafy, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo. Voaroban’ireo olon-dratsy ny “groupe électrogène sy ny kojakojan-dakozia maro samihafa tao an-toerana. Tsy nisy nahita sady tsy nisy naheno ity tranga ity. Maraina ny mpiambina vao nahita ny zava-nisy ka nampamndre ny manodidina. Nantsoina ihany koa […]

Fifankahalalana… fifankahalana

Fitantanana tanàna na firenena ny hoe politika? Fakana fahefana hahazoana manao izany no antony anaovana politika, antom-pisian’ny antoko politika. Tsy inona fa izay hampiharana ny foto-kevitry ny tena amin’ny alalan’ny antoko politika. Miara-dalana ho azy amin’izany rehefa azo ny fahefana ny fanatanterahana ny vinam-piarahamonina tian-kotratrarina, ny fandaharanasa hahatongavana amin’izany… Tsy […]

Fihaonana tamin’ny praiminisitra: nampahatsiahy ny demokrasia ny Vondrona Eoropeanina

Nanao ranolava ny fitsidihan’ireo vahiny. Nandray ny masoivoho vaovao maromaro ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, teny Mahazoarivo. Anisan’izany ny avy amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE), Isabelle Delattre Burger. Nivoitra tamin’izany ny fanohanan’izy ireo ha­trany ny zotram-pampandrosoana eto amintsika. Voatsiahy ny fametrahana ny demokrasia, ny fanajana ny zon’olombelona, ny ady amin’ ny […]

Tselatra

Nitrangana fangalarana niteraka famoizan’aina olona tao Ambalamanasy Toamasina, omaly. Maty tampoka ny mpangalatr’omby iray niditra tao anaty vala. Nodoran’ny herinaratra tamin’ny tsy nampoiziný ity lehilahy voatondro ho jiolahy ity. Vokany, maty tsy tra-drano ity jiolahy ity. Nanantontosa fanazaran-tena mifandraika amin’ny fampiasana ireo fitaovam-piadiana ilaina amin’ny fanatanterahana ny asa ny zandary […]