Auteur/autrice : Adnews

Kaominina Andoharanofotsy : nasondrotra 25 % ny karaman’ ny mpiasa

Notanterahina teny amin’ ny Lapan’ny tanànan’Andoha­ra­nofotsy, omaly, ny fiarahabana ny mpiasa rehetra eo anivon’ny kaominina Andohara­nofotsy. Ho solon’ny fanomezana toy ny fanao isan-taona, nilaza ny ben’ny Tanàna eny an-toerana, Rakotoarimanana Henintsoa na i Maire Tôta fa hasondrotra 25 % ny karaman’ireo mpiara-miasa aminy rehetra eo anivon’ny kaominina, manomboka ny volana […]

Oniversiten’Antananarivo : nahazo tohana avy amin’ny vondrona Filatex

Notanterahina ny 15 sy 16 desambra 2023, teny amin’ny tranombokin’ny Oniversiten’Anta­na­na­ri­vo Ankatso, ny hetsika fankalazana ny Andron’ny angovo azo havaozina. Nandray anjara tamin’izany ny vondrona Filatex niaraka tamin’ny fikambanan’ny mpianatra manao fikarohana manokana momba ny angovo azo havaozina eo anivon’ny Oniversiten’Anta­na­narivo. Nisy ny fifampidinihana tamin’ireo tomponandraikitra misehatra momba ny angovo. […]

INDRAY MIJERY

Notanterahina omaly, tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny fizaran’ny ben’ny Tanànan’Antana­narivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, fanomezana ho an’ireo mpiara-miasa avy eo anivon’ny CUA. Hahafahan’ny mpiara-miasa mifety amin’izao ankatoky ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao. Nisaotra ny mpiara-miasa ny tenany noho ny ezaka vitan’izy ireo ho fampandrosoana ny tanàna. Momba ny […]

Minisiteran’ny Mponina: 600 ireo mpiasa notolorana fanomezana

Nankasitraka ireo mpiara-miasa aminy nahavita ny asa nifarimbonana nandritra ny taona ny minisitra Soafilira Princia, omaly. Nanomana fanomezana ho an’ireo mpiara-miasa 600 ao amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy ny tenany. Vary 25 kg, menaka, gisa ary karazan-tsakafo iatrehana ny fetin’ny Krismasy sy ny […]

Tamberina taona 2023 – Fampianarana : naverina ny taranja Tantara sy Jeografia ho an’ny bakalorea

Nisedra olana lehibe ny fanadinam-panjakana bakalorea tamin’ity taona ity satria nivoaka mialoha ny laza adina ho an’ny taranja Tantara sy Jeografia. Nahitana tsy fahatomombanana koa ny sampana teknika. Nanamarika ity taona 2023 ity teo amin’ny fampianarana ny savorovoro nandritra ny zotram-panadinana bakalorea noho ny laza adina nivoaka mialohan’ny fotoana ho […]