Raha misy firenena fadiranovana indrindra eto ambonin’ny tany dia i Madagasikara. Mazava be ny tatitry ny fikambanana iraisam-pirenena fa dimy voalohany avy any amin’ny farany isika. Tsy atao mahamenatra izany. Tsy natao handemen-tsaina sy ahakivy ihany koa. Tokony ho fanoitra sy angady hoenti-miady ho an’ny fampandrosoana. Ilay mpanetsika hambom-po. […]
Auteur/autrice : Adnews
Fambolen-kazo 2023: niisa 128 000 000 ny zana-kazo voavoly
Nivaly ny ezaka natao tamin’ny lafiny fambolen-kazo, ho an’ny taona 2023, satria nihoatra ny tanjona napetraka ny velaran-tany voavoly. Misitraka ny vola azo avy amin’ny tsena karbôna ihany koa i Madagasikara. Nahomby ny taom-pambolen-kazo 2023. Nitombo 104% ny zana-kazo voavoly, nihoatra tamin’ ny taona 2022. Niisa 128 091 650 ny zana-kazo […]
Andranomanelatra – Antsirabe: Kamiaobe nahatrarana rongony 50 kitapo
Saron’ny zandary misahana ny fifamoivoizana Antsirabe tao Andranomanelatra, omaly, ireo rongony 50 kitapo, milanja 488 kg. Niainga avy any Ankily, Ihosy ireto entana ireo ka voasakan’ny zandary tao Mahandraza Andranomanelatra, Antsirabe II (RN7 PK 147). Nafangaro tamin’ny gony an-jatony misy eladrano (mica) ireto zava-mahadomelina 50 gony ireto. Notsindrina sy nafenina […]
TSELATRA
Natolotra ny sampandraharaha miady amin’ny kolikoly ireo mpianaka voarohirohy ho nanao asa fisolokiana. Notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora izy ireo. Nikasa hifampiraharaha tamin’ny polisy izy ireo ho famotsorana, hanao kolikoly, saingy tsy nanaiky izany ny polisy. Saron’ny polisin’ny Fip teny 67 ha ny jiolahy iray niaraka tamin’ny basy vita gasy, […]
Fakana an-keriny : miaramila sivy, ben’ny Tanàna roa voarohirohy
Niakatra fampanoavana, omaly, ny miaramila sivy (Tafika sy zandary). Voarohirohy miaraka amin’ny ben’ny Tanàna roa tamin’ny raharaha fakana an-keriny ao Ankazobe izy ireo. Heloka anenjehana ireo voarohirohy ireo ny firaisana tsikombakomba sy mpamatsy bala ireo dahalo mpaka an-keriny ao anatin’ny distrikan’Ankazobe. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny sampana fikarohana heloka bevava Fiadanana, […]




