Na tsy mitsikera aza, tsy manitsy ! Maro ny fahadisoana (miteny, manoratra) eo amin’ny teny malagasy, ankehitriny. Iray amin’ireo loza mitatao hanimba ny teny malagasy ny dokam-barotra. Atao tery vay manta, ohatra, ny fanakambanana ny teny vahiny amin’ny teny malagasy mba hanome na hilaza hevitra isan-karazany. Porofo iray lehibe ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Hiragasy : tafiditra ho anisan’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona
Vaovao lehibe ho an’ny kolontsaina! Rehefa nandalo ny dingana rehetra, nankatoavin’ny Komity faratampony eo anivon’ny Unesco ny maha harem-baboka ara-tsain’ny zanak’olombelona ny hiragasy. Ny haitao Zafimaniry, ny taona 2008. Ny kabary Malagasy, ny taona 2021 ary izao ny hiragasy. Afaka mirehareha fa manana azy telo ireo ho anisan’ny harem-bakoka ara-tsain’ny […]
Sabotsy Albert, mpandala fomban-drazana: “Mila famerenana an-doharano ny hasin-tanin’i Toamasina”
Anisan’ny mitelina olona matetika ny ranomasina any Toamasina, renivohitr’i Betsimisaraka. Voahosihosy ny hasiny ka ilaina ny famerenana izany an-doharano. “Tsy tongatonga ho azy ny fahalasanan’ny olona na koa fiteleman’ny ranomasina olona fa noho ny fomban-drazana Betsimisaraka sy ny fomban-tanin’ i Toamasina, renivohitr’i Betsimisaraka voahosihosy”, hoy i Sabotsy Albert, fantatra amin’ny solonanarana hoe “Ombilahivola”, mpandala fomban-drazana sy […]
VAOVAO TAMBATRA
Mitohy ny fanarenana ny tetezam-by any Mangapaika, PK 505, RN.4. Efa nisy ny toromarika nomena ny mpampiasa lalana amin’izany fanamboarana izany, saingy nisisika niditra ihany ny kamiao iray. Efa nesorina io fiarabe io, ary efa miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana, nanomboka omaly 6 desambra. Nisitraka masomboly vary an-drano 1512 kg […]
Fitaterana an-dalamby : hiverina ny zotra Antananarivo-Antsirabe
Hampivoatra sy hampiroborobo ny toekarena ny fiverenan’ny zotra an-dalamby mampifandray an’Antananarivo sy Antsirabe rehefa niato nandritra ny efa-taona. Hiverina amin’ny laoniny indray ny zotra an-dalamby mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe (TA) rehefa niato nandritra ny efa-taona. Nanamafy ny Madarail fa niverina nanomboka ny sabotsy teo ny fivezivezen’ny lamasina amin’ ireo toerana […]




