Auteur/autrice : Adnews

Filoha Andry Rajoelina : manao tohy vakana ny fiarahabana azy

Mirarakompana ny fiarahabana ataon’ny filoham-pirenena vahiny ny filoha Rajoelina Andry, taorian’ny namoahan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana ny fahalaniany. Efa manatrika ny hetsika momba ny tontolo iainana COP 28 any Dubaï ny tenany, nandritra ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny nitondra ny fiarahabana sy ny firarian­tsoa amin’izao hiton­dran’ny filoha Rajoelina Andry […]

TSELATRA

Vehivavy iray voatifitry ny olon-dratsy teo amin’ny kibony sy ny tanany nandritra ny fanafihan-jiolahy tao amin’ny fokontany Batiment , kaominina sy distrika Mahabo, tamin’ny 8 ora alina. Lasibatra nandritra ny fifandonana koa ny miaramila iray izay voatifitra teo amin’ny feny. Zana-tsokatra 20 isa no azon’ ny zandary tao amin’ny fokontany Belinjo, […]

Voaroba ny vola 1 800 000 Ar : zanaka mpandraharaha maty voarasa antsy

Maty norasarasain’ny jiolahy antsy ny raim-pianakaviana iray tao Ambolomadinika, Toa­masina, ny sabotsy 2 desambra teo. Lasa ny vola an-tapitrisa. Tsy tana, ny alahady ma­raina teo, ny ain’ilay lehilahy lasibatry ny asan-jiolahy hi­tan’ny mpitandro filaminana nihosin-dra tao Amboloma­dinika, ny faran’ny herinandro teo. Zanaka mpandraharaha ao Ambahavala, kaominina ambanivohitra Ampasina Ma­ningory, distrikan’i […]

Teo am-pitotoana vary: olona efatra maty nilatsaham-baratra

Olona efatra indray maty nilatsaham-baratra tao amin’ny fokontany Ankofalava, kaominina sy distrikan’i Maroantsetra, ny zoma lasa teo. Nisy oram-be sy kotro-baratra tao amin’io fokontany io ka nirefodrefotra ny varatra. Nilatsaham-baratra ny trano misy milina fitotoam-bary an’ny raim-pianakaviana iray. Olona maro handeha hitoto vary no teo amin’io toerana io niaraka tamin’ireo […]

Haintrano tetsy Ankasina: afa-mianaka niara-maty kilan’ny afo

Zaza iray taona ny iray tamin’ireo efatra mianaka maty kilan’ny afo tetsy Ankasina, ny alin’ny zoma 1 desambra teo, tamin’ny 11 ora alina. Nitrangana haintrano ma­hatsiravina tetsy An­kasina, Boriborin­tany I, ny alin’ny zoma 1 desambra teo. Valo mianaka iray trano indray nohotohotoin’ny afo tao anatin’ny minitra vitsy.“Tsy tafavoaka ny trano […]