Voasambotry ny polisim-pirenena nanao ny fanadihadiana ilay mpitari-posy namoa-doza tao amin’ny Boulevard Ralaimongo, 500 metatra tsy hidirana ny vavahady lehiben’ny seranantsambon’ i Toamasina, ny alakamisy 30 novambra teo, tamin’ny 6 ora sy 45 minitra. Namoy ny ainy vokatry ny tsy fitandreman’io mpamily posy io ny raim-pianakaviana iray 68 taona. Nahitana […]
Auteur/autrice : Adnews
Tetezan’i Bekiraro : tovolahy voatsatoka antsy teo amin’ny lohany
Tsy misy filaminana mihitsy ! Nitrangana fanendahana indray teny Tetezan’i Bekiraro Isotry, omaly maraina. Tovolahy iray 25 taona handeha hiasa vao maraina no nifanehatra tamin’ny jiolahy telo nitondra antsy sy sabatra. Mpikirakira informatika ny asan’ity tovolahy niharam-boina ity ka lasan’ireo mpanendaka ny kitapo misy ordinatera miampy kojakoja samihafa tao anatiny. Efa […]
Halatra taolam-paty: dimy lahy voaheloka mandra-pahafatiny
Nasiaka ny mpitsara nandritra ny fotoam-pitsarana momba ny raharaha ady heloka bevava ny afakomaly, tao amin’ny fitsarana ambony Toamasina. Dimy lahy voaheloka higadra mandra-pahafaty noho ny raharaha halatra taolam-paty. Nilatsaka ny fanamelohana asa an-terivozona mandra-pahaty ho an’ ireo dimy lahy tompon’antoka tamina halatra taolam-paty, araka ny antontan-taratasin’ ady roa samihafa. […]




