Auteur/autrice : Adnews

« Volana iray, mpanoratra iray »: nizara ny aingam-panahiny i Mioranandriana

Reharehan’ Amoron’i Mania, i Mioranandriana. Mpampianatra, poeta, mpanoratra ary mpanentana fandaharana amin’ny onjam-peo ity ampahafantarina mandritra ny iray volana ity. Vehivavy poeta, mpanoratra ary tena olon’ny literatiora i Fara Bakohasina Mioranandriana. Anjaran’ity mpanoratra zanaky ny faritra Amoron’i Mania ity indray no nampahafantarina tanatin’ny hetsika «Volana iray, mpanoratra iray», tamin’ity volana novambra […]

mazava loha: nitondra fahalalana maro

Tanterahina ny 24 novambra hatramin’ny 2 desambra 2023, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ao anatin’ny Ma­dagascourt Film Festival, andiany faha-18, ny fampirantiana “Mazava loha”, karakarain’ny fikambanana «Ren­con­tres du Film Courts». Fampirantiana hanehoana ny lalana nodiavin’ny sinema malagasy sy ny sangany, izay efa misandratra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, amin’izany tontolo izany […]

16 novambra 2023: 60 taona katroka ny Fi.Mpi.Ma

Taorian’ny fodiamandrin’i Rose Valisoa (andrarezin’ny kabary). Nivory voalohany tao an-tranon-dRajohnson Samuël, ny 14 mirahalahy. Izy ireo no nanorina ny «Firaisan’ny Mpikabary Malagasy». Niova ho Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy » izany taty aoriana. Feno 60 taona katroka, omaly, ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikajiana sy fikoloana ary fampivelarana ny kabary malagasy ity. Izy 14 mirahalahy […]