Auteur/autrice : Adnews

Fifidianana : nizotra am-pilaminana na teo aza ny indrokely

Nizotra am-pilaminana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany, notanterahina, omaly, manerana ny Nosy. Voahaja avokoa ireo fepetra samihafa sy ny rindran-damina napetraky ny Ceni. Na izany aza, nisehoana olana madinika ihany ny Birao fandatsaham-bato (BV) sasany nefa tsy nanakana ny fizotry ny fifidianana izany amin’ny ankapobeny. Anisan’izany ny tranga tao Toamasina na […]

Antananarivo : navitrika nifidy ny vehivavy

Tsy dia narisika tamin’ny fifidianana ny olom-pirenena nanerana ireo biraom-pifidianana teto Antananarivo, raha ny zava-nisy. Natahotra ny ankamaroan’ireo olona na mety ho nisy na tsia ny fifidianana vao tonga nifidy tsikelikely ny tapany hariva. Vehivavy maherin’ny 35 taona no tena nazoto nifidy tamin’ny ankapobeny. Manodidina ny 428 hatramin’ny 600 mahery […]

Voka-pifidianana vonjimaika: mitarika ny kandidà Andry Rajoelina

Efa nivoaka, tsikelikely, omaly alina ny voka-pifidianana filoham-pirenena, fihodinana voalohany. Mitarika vonjimaika ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina. Lavitra ny elanelam-bato amin’ireo telo voalohany amin’ny voka-pifidianana vonjimaika. Mitarika amin’izany ny kandidà Andry Rajoelina raha mifandimby eo amin’ny laharana faharoa sy fahatelo amin’ny fahazoana isam-bato ny kandidà laharana fahadimy, Ravalomanana Marc, […]

VAOVAO TAMBATRA

Zanatrondro karpa sy tilapia 20 000 isa no narotsaka tao amin’ny farihin’i Tsiazompaniry, distrikan’Andramasina, ny alarobia teo, niarahana tamin’ny fikambanana telo avy amin’ny kaominina Am­bohimiadana, Tankafatra, Morarano, Anosibe Trimo­loharano. Karpa 10 000 isa sy trondro gasy 1 000 isa narotsaka tao amin’ny farihin’ny Mamamba. Ilaina ny ezaka amin’ny fanatsarana ny […]

Fandraharahana : fototra mampihodina orinasa ny angovo

Miantraika mivantana eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny olan’ny angovo. Misedra fahasahiranana amin’ izany ireo orinasa madinika sy salantsalany tsy manana fahefa-mividy groupe éléctrogène hanodinany ny orinasany. “Tokony hapetrka ny tontolo ahafahan’ny rehetra mi­asa am-pilaminana sy ampahatoniana. Andraikitry ny fi­vondronan’ny mpandraharaha malagasy (Fivmpama) ny fampakarana ny harikarena faobe sy ny fampandrosoana […]