Auteur/autrice : Adnews

TARATRY ny KANTO

Hisy ny atrikasa ho an’ny « accordéon » sy ny « hip hop ». Karakarain’ny Akademian’ny zavakanto sy ny kolontsaina (Anac) izy ity, izay hotontosaina ao amin’ny efitrano ambadiky ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny sabotsy 18 novambra ho avy izao. Hizara ny traikefany amin’izany Rakotomandimby Jean Modeste, raha toa ka hitarika ireo liana amin’ny “hip […]

Aingam-panahy sy famoronana : misy talenta mifoha isaky ny vanim-potoana

« Ny zava-misy no fandrisika voajanahary ho an’ny aingam-panahy », hoy i Zo Mami­nirina, poeta sady mpanoratra. Isaky ny mandia vanim-potoana iray ny talenta, misy mipoitra hatrany. Rehefa mety ho asa famoronana, ahitana azy io avokoa. Lehibe indrindra amin’izany ny zavakanto sy ny kolontsaina. Mafampa­na, ohatra, ny tontolo politika. Misy poeta na […]

Orinasa Manoova : mitohy ny famoahana vokatra vaovao

Notanterahina, omaly, teny Ankorondrano, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny « Cart’in », vokatra vaovaon’ny orinasa Manoova. « Efa miaina tanteraka miaraka amin’ny haitao ara-kajy mirindra isika ankehitriny. Izany indrindra no hanaovana famokarana isan-karazany, ho fampidirana ny Malagasy ao anatin’izany zava-misy iainan’izao tontolo izao izany », hoy Rajaonarivelo Rado, talen’ny Manoova. Nitombo […]

“Festival international de danse Sagam”: solontenan’i Madagasikara i Julie Arisoa

Efa nitety hetsika iraisam-pirenena maro momba ny dihy na i Julie Arisoa na ilay sanganasany. Andrasana any amin’ny Sagam any amin’ny Nosy Maorisy indray izy, ny zoma izao. Hiditra amin’ny andiany fahenina ny « Sagam ». Hetsika iraisam-pirenena ho an’ny dihy ankehitriny izy ity, izay tontosaina atsy amin’ny Nosy Maorisy, amin’izao fotoana […]

Toe-tena entina mandra-pahafaty : 4 % amin’ny vahoaka malagasy no diabetika

Tsy mitsaha-miakatra ny tahan’ny antontanisan’ny olona diabetika satria mahatratra 500 tapitrisa izy ireo manerana an’izao tontolo izao. Ny fahazotoan’ny olona manao ny fitiliana no antony mahatonga ny fiakaran’ny antontanisa, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Ho an’i Madagasikara ma­nokana, 4 % amin’ny vahoaka malagasy no voan’ny aretina, raha ny tatitra navoakan’ny Organisa­tion mondiale […]