Auteur/autrice : Adnews

Fanateram-boninkazo tao Toamasina : maro ny vy karakaram-pasana very

Mbola anjakan’ny asa ratsin’ireo jiolahy hatrany ny fasana, raha tsy hilaza afa-tsy ny fanararaotana rehefa vaninandro ny fahatsiarovana ireo efa nodimandry ny voalohan’ny volana novambra. Lasan’ ireo mpangalatra ny vy karakaram-pasana. Raha ny zava-nisy tao Toamasina nandritra ny fankalazana sy fahatsiarovana ny fanateram-boninkazo tao amin’ny fasana kaominaly Anjoma Toamasina, maro […]

TSELATRA

Tovovavy roa indray naratra nendahin’ny tontakely teo Analakely, omaly tolakandro. Efa nisy nahatsikaritra izy roa narahin’ireo mpanendaka, saingy tsy afa-nanoatra fa nitazana fotsiny. Lasan’ireo jiolahy ny poketra nisy vola sy finday. Nilaza anefa izy ireo fa handeha hividy fanafody hitsaboana olona tsy salama, kanjo izao lasan’ny olon-dratsy izao ny vola. […]

Ilafy : tratra ny tambajotra mpangalatra moto

Mirongatra ny halatra moto ao Avaradrano. Jiolahy roa raindahiny indray voasambotra niaraka tamin’ny zava-maranitra, afakomaly. Tratran’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny kaomisarian’ny Sabotsy Namehana ny roa lahy mpangalatra anatin’ny tambajotra mpangalatra moto ao Ilafy, ny harivan’ny alahady 12 novambra teo. Naharay fitarainana tamina olon-tsotra ny polisy momba ny fisiana jiolahy […]