Auteur/autrice : Adnews

Baolina kitra : lasa mpanazatran’i Soudan Atsimo i Nicolas Dupuis

Rehefa tsy heno nandritra ny fotoana maro i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar teo aloha, fantatra fa nahazo fifanarahana atsy Soudan Atsimo. Izy no hitondra ny Bright stars, ekipam-pirenena eo amin’ny fifanintsanana ny «Mondial 2026». Nambaran’ny federasi­on’ny baolina kitra Soudan Atsimo (SSFA), omaly zoma, tao amin’ny tambajotran-tseraserany fa […]

Dokotera veterinera : vitsy anisa eto Madagasikara

Mbola tsy ampy isa ireo dokotera veterinera eto amintsika raha oharina amin’ny filan’ny firenena amin’izao fotoana. Manodidina ny 600 eo ny dokotera veterinera ilain’i Ma­dagasikara, araka ny fanazavan’ny Pr Rafatro Herintsoa, nandritra ny famoahana tamin’ ny fomba ofisialy ireo dokotera veterinera, ny alarobia teo. Tanjona ny hampitombo isa azy ireo […]

VAOVAO TAMBATRA

Vonona sy afaka miasa ireo fitaterana an-dalamby (train urbain) eto an-drenivohitra. Efa vita avokoa ireo fiantsonana rehetra hatreny Amorona­kona. Hiodina amin’ny “diesel” ity fitaterana ity ary mahavita zotra hatramin’ny enina isan’andro. Misy ny dingana sy lamina amin’ny fidirana ny amin’ny “train urbain électrique”. Mpizahatany 4 931 avy any Pologne no […]

Lavanty tany Toamasina : tsy nantsoina ny Antenimieran’ny Varotra

Nifarana ny fanaovana lavanty tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Nanatanteraka izany ny sampandraharahan’ny ladoany, ny orinasa SMMC, ny Mictsl, ny vadintany, ny Bianco. Nilaza ny tomponandraikitry ny ladoany Toamasina, Rakotonirina Hery André, nandritra ny fanokafana ny lavanty, ny 16 oktobra teo, fa antsoina ny Antenimi­eran’ny varotra sy ny indostria (CCI) raha […]

Jirama : nampiakarina ho 17 000 m3 ny fandaniana solika

Nifampiraharaha ny fanjakana, ny Jirama ary ny orinasa Jovena fa ampiana 2 000 m3 fanampiny ny solika menaka mavesatra hafarana avy ivelany. Anisan’ny antony ny fitomboan’ny fandaniana solika amin’izao vanim-potoana mafana izao. Ho fitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka, nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny 24 oktobra teo, teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, ny fanaovan-tsonia […]