Nitondra fanazavana ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana momba ny herinandro maneran-tany ho fisorohana ny fanapoizinana avy amin’ny firamainty anaty loko. Andiany faha-11 nisian’ny hetsika amin’ity taona ity. “Manatsahatra ny fanapoizinana avy amin’ny firamainty” no lohahevitra. Iarahana manatanteraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny Alliance mondiale ny hetsika izay tarihin’ny OMS […]
Auteur/autrice : Adnews
MADAGASIKARA: niatrika ny tetikasa “RDRM-OI”
Nandray anjara tamin’ny atrikasa mahakasika ny Tetikasa momba ny fanamafisana ny fahaiza-miatrika ny loza na RDRM-OI i Madagasikara, ny herinandro teo, tany amin’ny Nosy La Réunion. Mpandray anjara tamin’izany ireo firenena 5 ao anatin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina. Nojerena ny fomba hametrahana ny vovonam-paritra miompana amin’ny fitantanana ny loza sy ny […]
Oniversiten’Antananarivo : “Tsy tokony hanaiky ho fitaovana politika ny mpianatra”
Manetana ireo mpianatra namany alaim-panahy ho lasa mpikaraman’ady amin’ny resaka politika hitandrina ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra nanao fanambarana omaly. Nanao fanambarana ny filohan’ny fikambanan’ ny mpianatra sy ireo monina eny amin’ny Cité Universitaire omaly, teny Ankatso II. Tsy hanaiky hatao fitaovana politika hampisarahana ny samy mpianatra eny amin’ny oniversite. Manameloka […]
Hetsiky ny kandidà 11 : Rava tsy lera ny kabary sy ny famoriam-bahoaka
Noravan’ny mpitandro filaminana ny kabary sy ny famoriam-bahoaka nataon’ireo Kandidà 11, omaly, teny Ampitatafika. Toy ny mahazatra ihany ny fihetsik’ireo kandidà, nandositra nandeha namonjy ny toerana any Imeritsiatosika izy ireo ka navelany teo ny mpanara-dia azy. Ireo olona manaraka azy ireo kosa, nody namonjy ny tokantranony avy. Marihina fa tsy miova ny tanjona kasain’izy […]
Solontenan’ny ONU, i Issa Sanogo: “Ilaina ny fifidianana madio sy mangarahara”
Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny solontena maharitry ny Firenena mikambana (Pnud), eto amintsika, i Issa Sanogo. “Ilaina ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra. Tokony hifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena izany”, hoy izy, tamin’ny fanamarihana ny Andron’ny ONU. Nanteriny fa ilaina ny fanajana ny lalàna velona amin’ny firenena iray hampirindra […]




