Nitondra fanazavana ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana momba ny herinandro maneran-tany ho fisorohana ny fanapoizinana avy amin’ny firamainty anaty loko. Andiany faha-11 nisian’ny hetsika
amin’ity taona ity.
“Manatsahatra ny fanapoizinana avy amin’ny firamainty” no lohahevitra. Iarahana manatanteraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny Alliance mondiale ny hetsika izay tarihin’ny OMS sy ny Pnue.
Mahakasika ny loko fandokoana trano, fiara, vernis atao amin’ny fanaka hazo, ny loko ampiasaina amin’ny asa vaventy ary ny kolo atao amin’ny kilalao ny firamainty.
Ny taona 2009 no nisy fivoriana an-tampony tany Italy miompana amin’ny fitantanana ny singa simika ka noresahina tamin’izany ny fampihenana miandalana ny fampiasana loko misy firamainty amin’ireo firenena maneran-tany.
Sady manimba ny tontolo iainana no manimba ny fahasalamam-bahoaka ny firamainty ka ny tanjona dia ny fiarovana ny fahasalaman’ny ankizy sy ireo mpiasa miantsehatra amin’ny fanamboarana loko misy firamainty.
Misy poizina ny firamainty ary ahitana izany ny vatoaratra rehetra fampiasa, ny fantsona fitateran-drano, ny soudure, firavaka, ny kilalao misy loko.
Ao anaty loko fampiasa kosa no tena ahitana tahan’ny firamainty be indrindra izay manafaingana ny fahamainan’ny loko ary mampangirana azy.
Tatiana A




