Auteur/autrice : Adnews

Oniversiten’Antananarivo : “Tsy tokony hanaiky ho fitaovana politika ny mpianatra”

Manetana ireo mpianatra namany alaim-panahy ho lasa mpikaraman’ady amin’ny resaka politika hitandrina ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra nanao fanambarana omaly. Nanao fanambarana ny filohan’ny fikambanan’ ny mpianatra sy ireo monina eny amin’ny Cité Universitaire omaly, teny Ankatso II. Tsy hanaiky hatao fitaovana politika hampisarahana ny samy mpianatra eny amin’ny oniversite. Mana­meloka […]

Hetsiky ny kandidà 11 : Rava tsy lera ny kabary sy ny famoriam-bahoaka

Noravan’ny mpitandro filaminana ny kabary sy ny famoriam-bahoaka nataon’ireo Kan­didà 11, omaly, teny Ampitatafika. Toy ny mahazatra ihany ny fihetsik’ireo kandidà, nandositra nandeha na­monjy ny toerana any Imeri­tsiatosika izy ireo ka navelany teo ny mpanara-dia azy. Ireo olona manaraka azy ireo kosa, nody namonjy ny tokantranony avy. Marihina fa tsy miova ny tanjona kasain’izy […]

Solontenan’ny ONU, i Issa Sanogo: “Ilaina ny fifidianana madio sy mangarahara”

Nitondra ny heviny, ma­noloana ny raharaham-pirenena ny solontena maharitry ny Firenena mikambana (Pnud), eto amintsika, i Issa Sanogo. “Ilaina ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra. Tokony hifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena izany”, hoy izy, tamin’ny fanamarihana ny Andron’ny ONU. Nanteriny fa ilaina ny fanajana ny lalàna velona amin’ny firenena iray hampirindra […]

Fikarakarana ny fifidianana: nahazo vola fanampiny indray ny Ceni

Mitohy ny fanohanana ho amin’ny fikarakarana ny fifidianana. Anisan’ny notapahin’ny filankevitry ny minisitra afakomaly, teny Mahazoarivo, ny didim-panjakana amindrana ny sora-bola fanampiny ho an’ny Ceni. Mitentina 3 947 190 000 Ar avy amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ho an’ny tetibola 2023 izany ary natao indrindra hikarakarana ny fifidianana filoham-pirenena. Nialoha izany, efa nahazo fa­matsiam-bola avy amin’ny […]

Lokanga sy Valiha: Matim-bela izay tsontsa paika

Mandeha avokoa ny kajikajy sy ny paipaika politika amin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Indrindra amin’ny fiatrehana fifidianana… Na mahavoa ny tena, na voa roa. Ady fiady io, lazon’ady. Saingy arakaraka ny fifandanjan-kery, ny tombontsoa iadiana na arovana… Aiza ho aiza? Na mby amin’ny hoe: amin’izay atao rehetra, tsinjovy ny farany. Azo antoka […]