Nandeha nihaona tamin’ny tomponandraikitry ny FIFA ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred. Marihina fa hampiseho sy hanazava ny fandaharanasany no tena aton-diany any an-toerana. Tanjon’ny FMF ny hanaovan’ny Barea de Madagascar ny “Mondial 2026”. Taorian’ny fialantsasatra, nandritra ny volana vitsivitsy, nanomboka niverina nanao fanazarantena tsikelikely teny amin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
TARANJA TOLONA: manofana ireo mpanazatra sy atleta i Hassli Alain
Manomboka izao, hatao ho anisan’ny taranja hifaninanana eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny tolona (FML), ny “lutte Greco-romaine”. Tonga nanome fahalalana fototra momba izany, i Hassli Alain Georges. Nanomboka ny alatsinainy teo, hatramin’ny rahampitso alakamisy, ny fiofanana eo amin’ny «lutte Greco-romaine», tarihin’ilay frantsay manampahaizana, i Hassli Alain Georges, mpanazatra ny ekipa frantsay […]
Fampianarana teknika : nankatoavina ny fiofanana omen’ny SAYNA
Ahafahan’ny rehetra, indrindra ny tanora, misitraka fanabeazana niomerika ampitain-davitra, hiara-hiasa indray ny Orange Madagascar sy ny Sayna efa matihanina amin’ny fanofanana niomerika sy asa mifandraika amin’izany. Natokana hamaly ny tsenan’ny asa ny fiofanana vaovao dimy amin’ny sarany zakan’ny tanora ary miaraka amin’ny mpampianatra matihanina iraisam-pirenena. « Vinavinaina hahasarika tanora hatramin’ny 30 000 […]
INDRAY MIJERY
Nolaniana ny taona 2018 ny fankatoavana ny fahaiza-manao (VAE), rafitra iray eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Faritra efatra no nanaovana ny dingana andrana, ny taona 2021, amin’ny sehatrasa dimy: fizahantany sy fandraisam-bahiny ary fampisakafoanana, taotrano sy ny asa vaventy, ny zaitra sy ny kojakoja. 86 ireo […]
VANIM-POTOANA MAFANA : mila mailo amin’ny fihinanana hazandranomasina
Fotoana hifantenana tsara ny karazana handranomasina hohanina ny vanim-potoana mafana toy izao. Mahafaty ny sasany amin’izy ireny ka mila mailo. Notanterahina tamina toerana maromaro ny atrikasa mahakasika ny fanentanana sy fandraisana an-tanana ara-pahasalamana vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo avy amin’ny fihinanana hazandranomasina. Nisitraka izany ireo mpiasan’ny fahasalamana tany Mananjary sy Nosy […]




