Mandray anjara amin’ny fanamafisana ny Tahirim-bola afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Fad) i Madagasikara. Mitentina 500 000 dolara ny anjaran’ny firenena malagasy ao anatin’ity rafitra andiany faha-17 ity. Anisan’ireo sehatra manohana an’i Madagasikara ny Fad. Tamin’ny taon-dasa, nahatratra hatrany amin’ny 237,37 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola azontsika, izany hoe, efa ho 475 heny […]
Auteur/autrice : Adnews
FANTINA sy FINTINA
Mifameno ny fiangonana sy ny fanjakana amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena sy ny fitandroana ny filaminana ary ny fampandrosoana ny firenena. Nivoitra izany nandritra ny lahatenin’ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, raha nanokatra ny jobily faha-100 taonan’ny Tobilehibe Manolotrony izy. Notanterahina ny alahady teo izany. Manangana ny rantsany any ifotony ny Vovonana ho […]
Fikaroham-bahaolana : Mitaky ny hanafainganana ny fikaonandoha i Fetison
Naneho ny heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko Roso ho an’ny demokrasia sy sosialy (RDS), Andrianirina Fetison. Nankasitrahiny ny ezaka fampihavanana sy ireo asa fampandrosoana tsara notohizana sy efa natomboka. Nametraka fitakiana anefa ny tenany. «Tokony hiroso haingana koa ny dingana manaraka, indrindra ny fikaonandoham-pirenena karakarain’ny FFKM. Mandroso […]
Ampitomboina izay mampiombona
Andrasana fatratra ny fikaonandoham-pirenena amin’izao? Ho amin’ny fanovana na fanavoazana… Na izany aza, ny itsitokotokoan’ny loha, hono, samy manana ny heviny. Ny hevitry ny maro mahataka-davitra, ary izay lava dinika no lava rariny. Aleo ny hevitra no ampiadiana hilaminana? Araka ilay fiteny hoe: ny hevitra no miady fa tsy ny […]
Fihaonana an-tampony : Manohana ny dingana fanavaozana ny SADC
Nankasitraka an’i Madagasikara ny Fihaonana an-tampony faha-46 nataon’ny vondrona SADC tany Durban, Afrika Atsimo, ny fiandohan’ny herinandro teo, araka ny fanambarana nampitainy, voaray omaly. Noho ny fahombiazan’ny fifampidinihana, eo ambany fiahian’ny vondron’ny olobe eo anivon’ny SADC izany. Niaraka tamin’ny fanohanan’ny Vondrona mpanolotsaina momba ny fanelanelanana sy ny sekretarian’ny SADC ihany […]




