Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Miseho amin’ny endrika marolafy ny fahitana taratra fa misy fampiasana zaza tsy ampy taona eto Madagasikara. Ny hamongorana ny soritra rehetra manome vahana ny fanerena ny ankizy hiasa anefa no tena tanjona. Lalana iray hahatongavana amin’izany ny fanarenana ny sosialim-bahoaka sy ny fanatsarana ny fahefa-mividin’ny vahoaka. Manentana hatrany ny Malagasy […]

Japon/JOCV : Mpilatsaka an-tsitrapo 2 nahavita ny asany

Mpilatsaka an-tsitrapo roa avy amin’ny Jica (JOCV) nahavita ny asa nanirahina azy ireo teto Madagasikara ary hitodi-doha any Japon amin’izay no nisaoran’ny masoivohon’i Japon, Sem Tojma. Naharitra roa taona izy ireo no niasa teto. Mpiasa an-tsitrapo misahana ny fampandrosoana ny fiarahamonina, tao amin’ny foibem-paritry ny fambolena sy fiompiana ao Analamanga, i […]

Fikambanana Mouvement pour la différence: Nametraka drafitrasa ho an’ny taona 2026-2029

Namaritra ny drafitrasany ho an’ny efa-taona manaraka (2026-2029) ny Mouvement pour la différence (M4D) nitondra ny anarana Autisme Madagascar teo aloha, araka ny fanazavana nentin’ny mpitantana ny fikambanana, omaly. Tanjona ny hampandroso ny fampiatiana ny olona manana fahasembanana sy hafakely eto Madaga­sikara. Ho voasahana koa ny olona varira, ireo manana […]

TARATRY ny KANTO

« Talim-poezia », iarahana amin’ireo poetan’ny Tsanta. « Tiako sy andrianiko ny teniko sy ny taniko ». Sady lohahevitra izay no fanafohezana ny anarana nosafidian’ny fikambanana. Hanatontosa Antsa to­nonkalo ravahina hira izy ireo, ny alahady 23 aogositra izao, manomboka amin’ny 2 ora , ao amin’ny efitrano fanaovana fetin’ny Sainte Famille Mahamasina. Poeta am-polony izy […]

Papa James : Nodimandry any Afrika Atsimo

Vaovao ratsy indray ho an’ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Fantatra ary efa voamarina fa nodimandry ny alin’ny alatsinainy teo i Papa James. Any Afrika Atsimo, toerana nosafidiana nonenana efa an-taonany maro izao no nahalavoany. Volana vitsivitsy lasa izay no niharan’ny herisetra vokatry ny fanakavahana manjaka any an-toerana ity mpanakanto ity. Norobaina […]