Auteur/autrice : Adnews

Vaky trano : Jiolahy raindahiny maty voatifitra

Mitohy hatrany ny fanenjehana sy fandravan’ny polisim-pirenena ireo olon-dratsy. Jiolahy raindahiny iray no maty voatifitr’izy ireo, ny sabotsy 17 oktobra 2026 lasa teo, tokony ho tamin’ny 2 ora maraina tany ho any. Raha ny fanazavana voaray, Lehilahy maromaro no tratra teo am-pamakiana trano teny akaikin’ny EPP Sahavola, any Fenoarivo Atsinanana. […]

Lozam-pifamoivoizana teto an-dRenivohitra : Olona telo namoy ny ainy, ny sabotsy teo

Ny sabotsy teo, olona telo namoy ny ainy, vokatry ny lozam-pifamoivoizana teto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Maty voahitsaky ny kamiao ny mpitondra moto iray tetsy Anosizato Andrefana. Maty tery tao anaty fiara izay nifandona tetsy Ankadindramamy, ny roa hafa. Mateti-piseho ny trangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona tato ho ato. Lehilahy sy […]

“The Voice of Europe” : Voafantina hifaninana i Samuella

Hanomboka ny alatsinainy 19 oktobra izao ny “The Knoc­kouts”, fifaninanan-kira “The Voice of Europe”. Tsy diso an­jara amin’izany i Masa­gasi­kara, nahavoafantina an’i Samuella. Misy 20 ireo mpandray anjara hifaninana izay notsongaina noho ny talenta ananan’izy ireo. Hira haranty eo anivon’ny tambajotran-tserasera no hitsarana ireo mpifaninana ka amin’io alatsinainy io no […]

« Afromada Music Awards » : Efa eto ireo vahiny mpanakanto

Zily avy any Mayotte, Souncheitfit, Phil Bill avy any Cameroun ary i Wizboy avy any Nigeria. Ireo no vahiny mpanakanto nasaina ka efa tonga eto Madagasikara handray anjara amin’ny andiany faharoa amin’ny « Afromada Music Awards ». Nosokafana omaly, tetsy amin’ny Radisson Blu Hôtel ny hetsika, tamin’ ny alalan’ny fampahafanta­rana ireo mpanakanto […]

INDRAY MIJERY

« Miara-mientana isika hiady amin’ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranonjaza ». Io ny lohahevitra entina hankalazana ny “Octobre rose” amin’­ity taona ity. Eny amin’ny kaominina Bema­soandro Itaosy no hanaovana ny fanamarihana, ny 23 oktobra ho avy izao. Hisy fanentanana sy fitiliana maimaimpoana ho an’ny vehivavy, entina hanamafi­sana ny ady amin’ny homamiadan’ny […]