Ny fahazotoana manoloana ny zava-tsarotra mety handalo no mahatonga ny ankizivavy sy ny zatovovavy ho fanoitry ny fanovana ny hoavy ho tsara kokoa hatrany. Mihamaro ny zava-tsarotra iainan’ny ankizivavy ankehitriny eo amin’ny tontolo misy azy. Mila mivonona ho amin’izany izy ireo ary mila mahazo fanabeazana mifandraika amin’izany. Nandritra ny fankalazana […]
Auteur/autrice : Adnews
Mammographie : fitaovana tokana fitiliana ny homamiadan’ny nono
Ao anatin’ny “Octobre rose” na iray volana hanentanana ny fisorohana amin’ny homamiadan’ny nono isika. Miresaka momba ny fitiliana amin’ny alalan’ny mammographie ny radiologue eo anivon’ny CHU Andohatapenaka, Rasoamaharo Miangaly Soaniaina. Anisan’ny homamiadana voalohany mamely ny vehivavy ny homamiadan’ny nono. Raha voatily mialoha anefa izany dia ambony ny taham-pahasitranana, hoy ny […]
14 oktobra 1958-2023 : 65 taona no nijoroan’ny Repoblikan’ i Madagasikara
14 oktobra 1958-14 oktobra 2023. Feno 65 taona katroka ny fijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Inona marina? Misy milaza fa tena fetim-pirenena ny datin’ny 14 oktobra, nijoroan’ny firenena iray tsy mivaky amin’ny maha Repoblika azy. Tantara… Nambara teny amin’ny efitrano filanonan’ny lycée Galliéni, Andohalo, ny 14 oktobra 1958, ny fijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara, […]
FANTINA sy FINTINA
Miantso fifanatonana fa tsy fiziriziriana ny UNDD, araka ny nambaran’ny mpitarika, Manoro Regis, manoloana ny raharaham-pirenena. Niantso ny FFKM koa izy ireo hanelanelana. Tsiahivina fa nomarihina omaly, teny Ivandry ny tsingerin-taona nahafatesan’ny Pr Zafy ka nametrahan’izy ireo fehezam-boninkazo teny amin’ny tsangambato Ambohijatovo. Miantso ny fahamendrehana, ny fahitsiana ary ny etikan’ny […]
Antenimierandoholona : voafidy ho filoha ny loholona Ravalomanana Richard
Vato 15 amin’ireo loholona 15 tonga nifidy ny vato azon’ ny loholona vao notendrena, ny jeneraly misotro ronono, Ravalomanana Richard, tamin’ny fifidianana teny amin’ ny Antenimierandoholona, Anosikely, omaly. Tsy hanapa-kevitra irery izy, araka ny nambarany. Tsy izy no hiady ho filoham-panjakana mpisolo toerana. “Nefa tsy hiamboho adidy ho an’ny tanindrazana […]




