Auteur/autrice : Adnews

Fisotasotana : mpivarotra drakaka voapaka antsibe teo an-tsena

Voasambotry ny foko­nolona ny iray tamin’ireo jiolahy efa-dahy nikapa antsibe ilay mpivarotra drakaka, tao Ambararata, fokontany Ampoza, Kaominina ambanivohitra Andranovao, distrika Maintirano, afakomaly. Nanao ny asany teo am-pivarotany io raim-pianakaviana mpivarotra io no tonga tampoka ny jiolahy. Nandanja drakaka izy kinanjo nokapain’ireo tsy mataho-tody tampoka tamin’ny antsy. Rovitra tanteraka ny sofiny havia sy ny […]

TSELATRA

Lehilahy iray namoy ny ainy nianjeran’ny trano andalam-panorenana tao amin’ny fokontanin’Ambohi­miari­vo, kaominina ambanivohitr’Antsirabe, ny fiatombohan’ny herinandro teo. Nandrava ny “coffrage” ireo mpanamboatra trano, kinanjo nirodana tampoka ny fotodrafitrasa efa vita. Niezaka nanavotra ny lehilahy voatsindry ny mpamonjy voina sy ny manodidina saingy tsy tana ny ainy. Lehilahy 30 taona hita […]

Saika hanafika : jiolahy rotiky ny bala teny Ilafy

Nirefodrefotra ny basy. Maty voatifitra ny jiolahy raindahiny iray teny Ilafy, ny alatsinainy teo. Rava ny fanafihana saika hataon’ireo olon-dratsy. Nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana teny Ilafy, ny jiolahy miisa telo, tamin’ny alatsinainy lasa teo. Nikononkonona handroba tamina tokantrano iray tao Antsampandrano ry zalahy. Nisy namoaka anefa ny tsiambaratelon’izy ireo. Nisy loharanom-baovao nanome […]