Mazava ny lalan-komban’i Madagasiraka ! Na krizy lavareny, na fifidianana. Mampibaribary ny kandidà 11 mirahalahy, na misy aza ny misababaka. Tsy hilalao eny an-kianja izy ireo raha mbola tsy miova ny mpikarakara sy mpitsara ny lalao. Tsy handray ny fiaingana izy ireo raha mbola izao ny fitsipi-dalao. Manomana paikady hafa […]
Auteur/autrice : Adnews
Praiminisitra Ntsay Christian : « Fifidianana ihany ny fahazoana fahefana… »
Hentitra ary tamin’ny feo avo ny lahatenin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, afakomaly, teny Ampahitrosy, Atsimondrano. Anisan’ny notsikerainy ireo mpanao politika sasany… “Tsy misy krizy politika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Mazava ny lalana izorantsika: amin’ny alalan’ny fifidianana ihany ny fahazoana fahefana hitondra ny firenena mandritra ny dimy taona”. Io ny kabarin’ny […]
TSELATRA
Mpiambina iray maty voatsatok’antsy teny amin’ny kaominina Fiadanana, distrikan’i Fandriana, afakomaly alina. Niditra an-keriny tao amina tsenambarotra ireo jiolahy nitondra antsy. Nisy ny fifandonana teo amin’ny mpiambina sy ireto farany. Naratra mafy vokatry ny tsindron’antsy nahazo azy ilay mpiambina ka namoy ny ainy. Lehilahy roa nanely vaovao tsy marina tamin’ny tambajotran-tserasera […]
Raindahiny amin’ny fanendahana… : jiolahy voasambotry ny polisin’ny SAG
Voasambotry ny polisin’ny SAG teny Ampefiloha, afakomaly alina, ireo jiolahy roa raindahiny amin’ny fanendahana. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy no nahatrarana ireto jiolahy ireto. Nampiahiahy ny fihetsik’ireto jiolahy ka niroso tamin’ny fisavana azy roa lahy avy hatrany ny polisy. Tratra tany amin’izy ireo ny antsy maranitra fampiasan’izy ireo. Nentina nihazo […]
Toamasina: tratra teo am-pangalarana moto i Juvet
Tratra teo am-panosehana moto halatra teo anoloan’ny Lapan’ny faritra Atsinanana Razafiarison Juvet Gerard, 30 taona. Mipetraka ao amin’ny fokontany Mangarivotra Parisela 21/52 ity jiolahy ity sady miasa amina orinasam-piambenana tsy miankina iray. Lasa nihazo an’i Vatomandry avokoa ny mpiasa eo anivon’ny faritra ka somary mangingina teo an-toerana. Moto an’ny talen’ny […]




