Nosokafana tamin’ity herinandro ity ny fanamarihana ny faha-40 taonan’ny Ecole Nationale de l’Informatique (ENI) ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa. Anisan’ny sekoly ambony mamokatra mpianatra sangany amin’ny sehatry ny informatika ny ENI. Manaporofo izany indrindra ny firohotry ny tanora na avy aty an-drenivohitra aza tonga mandrato fianarana any Fianarantsoa raha handalina ny tontolon’ny informatika […]
Auteur/autrice : Adnews
boriborintany FAHA-V: hisitraka ny « fahasalamana manakaiky vahoaka »
Toy ny fanaon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny sampandraharaha misahana ny fahasalamana sy ny sosialy dia hotanterahina eny amin’ny boriborintany fahadimy indray ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka. Ny 3 hatramin’ny 6 oktobra izao no hanatanterahana izany eny amin’ny fokontany Soavimasoandro, Ambohidrazana fasana be. Marolafy ny karazana tolotra ara-pahasalamana hositrahan’ny mponina […]
Aretina tsy mifindra: miteraka ny 74% amin’ny fahafatesana
Hisokatra any Dakar Senegal, ny talata ho avy izao, ny Forum Galien Afrique andiany fahenina, izay sehatra hifampizarana vaovao sy traikefa momba ireo olana ho an’ny fahasalamam-bahoaka. Ireo aretina tsy mifindra toy ny loza samihafa sy ny aretin’ny fo sy ny lalandra aty Afrika no lohahevitra noraisina amin’ity taona ity. […]
Fitantanana ny loza : nohavaozina ny fitaovan-tserasera anatin’ny hamehana
Tontosa tamin’ity herinandro ity nandritra ny hateloana, tany Antsirabe, ny atrikasa fanavaozana ireo hafatra sy fitaovana fampitam-baovao amin’ny serasera anatin’ny vanim-potoana hamehana. Tanjona ny hanavao sy hamelona indray ireo loharanon-kevitra fototra momba ny fifandraisana sy ny fampahafantarana eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny loza. Zava-dehibe ny fanomezana vaovao marina sy ara-potoana ho […]
Hikorontana ny asa an-dranomasina: hahery ny onja mandritra ny hateloana
« Hikorontana ny fifamoivoizana sy ny asa an-dranomasina any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo ary atsimo atsinanan’ny Nosy noho ny hamafin’ny rivotra. Manan-kery manomboka ny alatsinainy maraina ho avy izao ka hatramin’ny alarobia ity filazana ity », hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Hisy fiantraikany amin’ny fahasarotan’ny […]




