boriborintany FAHA-V: hisitraka ny « fahasalamana manakaiky vahoaka »

Toy ny fanaon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny sampandraharaha misahana ny fahasalamana sy ny sosialy dia hotanterahina eny amin’ny boriborintany fahadimy indray ny hetsika fahasalamana ma­nakaiky va­hoaka.
Ny 3 hatramin’ny 6 oktobra izao no hanatanterahana izany eny amin’ny fokontany Soavi­masoandro, Ambohidra­zana fasana be.
Marolafy ny karazana tolotra ara-pahasalamana hositrahan’ny mponina maimaimpoana eny an-toerana. Ani­san’iza­ny ny fizahana ny aretina ankapobeny sy ny fisitrahana fanafody mifandraika amin’izany.
Eo koa ireo karazana fitiliana toy ny diabeta sy raboka. Ny fijerena ny fahasalaman’ny to­sidra izay mamely ny sokajin-taona rehetra amin’izao fotoana.
Misy ny ekipa misahana manokana ny fandanjana zaza sy ny toro-hevitra ara-tsakafo ho amin’ny fitomboany ary ny fivarotana ny karazan-tsakafo sahaza izany.
Manome ny tolotra ara-tsosialy amin’ny alalan’ny fihainoana sy tantsoroka ara-tsaina ho an’ireo olona iharan’ny herisetra eny anivon’ny fiarahamonina ihany koa ny hetsika.
Ankoatra ireo ny fanaovam-baksiny ho an’ny zaza sy ny olon-dehibe. Tsy hadinoina ny fizahana maso iarahana amin’ny Lion’s Sight First.

Tatiana A

Partager sur: