Fitantanana ny loza : nohavaozina ny fitaovan-tserasera anatin’ny hamehana

Tontosa tamin’ity herinandro ity nandritra ny hateloana, tany Antsirabe, ny atrikasa fanavaozana ireo hafatra sy fitaovana fampitam-baovao amin’ny serasera anatin’ny vanim-potoana hamehana.

Tanjona ny hanavao sy ha­melona indray ireo loharanon-kevitra fototra momba ny fifandraisana sy ny fampahafantarana eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny loza. Zava-dehibe ny fanomezana vaovao marina sy ara-potoana ho an’ireo vondrom-piarahamonina marefo sy ireo mpandray anjara amin’ny fitantanana ny voina. Tafiditra ao ny ri­vo­doza, ny tondradrano, ny haintany, ny loza vokatry ny asan’ny olombelona, izay samy loza mitatao ho an’i Ma­dagasikara avokoa. Nanaraka ny fifampizarana tany an-toerana ireo mpandray anjara avy amin’ny tambajotran’ny serasera rehetra mifandray amin’ny GRRC. Anisan’ireo ny tomponandraikitry ny serasera avy amin’ny BNGRC, manampahaizana manokana amin’ny fitantanana ny loza voajanahary, ny Unicef, ireo minisitera voakasika, fiarahamonina sivily, ny sehatra tsy miankina, Mpanazava sy Tily eto Madagasikara, manampahaizana manokana momba ny serasera avy ao amin’ny Firenena mikambana eto Madaga­sikara…
Asa nifotorana ny fanavaozana ireo hafatra sy ny tohana amin’ny fifandraisana mandritra ny fotoan-tsarotra ho an’ny voina rehetra. Nodinihina koa ny fahombiazan’ny hafatra sy fitaovana amin’ny fomba fanao tsara indrindra anatin’ny hamehana ary mifandray amin’ny fitakiana ny filan’ny fiarahamonina sy ireo olana manokana mifandraika amin’ny karazana loza tsirairay. Tokony hifanaraka amin’ny kolontsaina ny fitaovana, mifanaraka amin’ny vondron’olona samihafa ary mampiasa ny fantsom-pifandraisana mahomby indrindra.
Fiaraha-miasa avy amin’ny Unicef sy ny BNGRC ary ny ODDL no nahavitana ny atrikasa.

Vonjy A.

Partager sur: