Oniversite Fianarantsoa: mankalaza ny faha-40 taona ny ENI

Nosokafana tamin’ity herinandro ity ny fanamarihana ny faha-40 taonan’ny Ecole Nationale de l’Informatique (ENI) ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa. Anisan’ny se­koly ambony mamokatra mpi­anatra sangany amin’ny se­hatry ny informatika ny ENI.
Manaporofo izany indrindra ny firohotry ny tanora na avy aty an-drenivohitra aza tonga mandrato fianarana any Fianarantsoa raha handalina ny tontolon’ny informatika noho ny lentan’ny diplaomam-panjakana avoakan’ny sekoly. Tanjon’ny ENI ny haha re­nivohitry ny haitao ara-kajy mirindra an’i Fanarantsoa.
Hetsika roa no nentina na­namarihana ny faha-40 taona dia ny “Global tech Summit”, nokarakarain’ny Akata goavana, ny ENI ary ny Emit. Fihao­nan’ny mpisehatra sy mpikaroka ny informatika sy ny teknolojia haharitra efatra andro any an-toerana.
Teo koa ny fanomezana mari-pankasitrahana Doctorat Honoris Causa an-dRamora­sata Elie Etienne, izay vy nahitana sy angady nananana ny sampam-pampianarana ENI.
Fampianarana mahasarika ny tanora ary mitondra amin’ny sehatrasa maro ny informatika. Efa amin’ny alalan’ny informatika avokoa no hifehezana ny ankamaroan’ny asa ary tsy avelan’ny fandrosoana amin’izany i Mada­gasikara, raha ny fanazavan’ny mpianatra ao amin’ny ENI. Na ny asa tsotra indrindra aza ankehitriny dia mitaky fifehezana ny informatika ka tsy azo ihodivirana intsony izany.

Tatiana A

Partager sur: