Auteur/autrice : Adnews

Vondron’ny Tanora Malagasy : “Ilaina ny fanarenana maika ny fitantanana”

Nambaran’ny eo anivon’ny Vondron’ny Tanora Malagasy (VTM), tarihin’ny filoha nasionaliny, Rakotomalaza Desiré, fa misy ny laharam-pahamehana tokony hapetraka eto amin’ny firenena. “Ilaina harenina ny fitantanana ary tokony hojerena maika izany”, hoy izy ireo, tetsy Andrefan’Ambohi­janahary, afakomaly. Nante­rin’izy ireo fa anisan’ny antony naharesy lahatra azy ireo hiara-dalana amin’ny Firai­sankinan’ny tia tanindrazana […]

Hotsaraim-bahoaka

  Inona na ahoana koa? Tsy inona fa ny fikitranana lava eo amin’ny tontolo politika amin’izao fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Mahita hokitranina hatrany ny mpisehatra politika sasany; eny, na efa hoe mirotsa-kofidina izao aza. Atrehina ny fanatanterahana fifidianana, fa gidragidraina lava. Izany no matoky tena? Na hoe tsy matahotra […]

Fiatrehana fifidianana : efa mandeha ny fanontana ny biletà tokana atsy Afrika Atsimo

Nitondra fanazavana manoloana ny feo miely ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’ny tale kabinetra, Andriamifidy Jean Louis, fa tsy misy ny olana amin’ny fikarakarana ny biletà tokana. “Tsy marina sy tsy mitombina ny vaovao etsy sy eroa amin’ny filazana fa tsy afaka natonta indray noho ny toe-draharaham-pirenena ny biletà tokana, tokony […]

TSELATRA

Zandary iray niampy mpamily fiara nitatitra hazo an-tsokosoko naiditra am-ponja vonjimaika tao Moramanga, ny talata 12 septambra hariva teo. Voasakan’ny sampan-draharaha manokana misahana ny fiarovana ny ala tao Marovoay ny mpamily roa lahy niampy io mpitandro filaminana io ka natao famotorana tamin’io andro io ihany. Efatra mirahalahy mpamaky trano voasambotry […]

Faran’ny herinandro: nandriaka ny ra, mpitondra moto iray maty

Tohivakana ny lozam-pifamoivoizana ny faran’ny herinandro teo. Lohalaharana tamin’izany ireo mpitondra moto. Namoizana ain’olona izany teny amin’ny Digue Andohatapenaka, ny sabotsy hariva teo… Tsy afa-bela hatrany fa sesilany ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny moto (kodiaran-droa) ny faran’ny herinandro teo. Raim-pianakaviana iray nitondra moto marika Racing King no maty tsy tra-drano rehefa […]