Auteur/autrice : Adnews

Andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra : miavaka ny otrikarena any Fitovignany

Nisokatra omaly ary hifarana rahampitso ny “Journée internationales des régions” na ny Jir, ho an’ny faritra Fitovignany. Tafiditra amin’ny andiany fahafito izany ary tanterahina ao Manakara. Ma­nana otrikarena maro toy ny fambolena, ny fiompiana tantely, ny fanodinana Loha­menaka “Huile essentielle”, ny harena an-kibon’ny tany ny any an-toerana. Mampiavaka iny faritra […]

Ceni : “Efa an-dalana ny karatry ny mpifidy”

“Raha ny tokony ho izy, efa an-dalana na efa eny amin’ny biraom-pokontany ny karatry ny mpifidy amin’izao”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly. Antony mety somary nahatratra aoriana izany amin’ny toerana sasany, nisy olana tamin’ny fanontana azy. Hasiana fitomboka koa ny karatra rehefa voatonta. Raha tratra aoriana […]

Rakotoarisoa Florent : “Aoka tsy holotoina ny HCC”

Anisan’ny voatonontonona matetika tato ho ato ka nitondra valin-kafatra ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, omaly, tetsy Ambohidahy. Nitondra fanazavana momba izany ny tenany. Anisan’ny noresahany ny momba ny antontan-taratasin’ny kandidà Rajoelina Andry sy ny dingana momba izany. “Aza lotoina ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Tsy anjaranay ny manadihady ny […]

INDRAY MIJERY

Nahazo filazana fampitandremana miloko mena amin’ny herin’ny ranomasina ny eo anelanelan’i Besalampy sy Farafangana; miloko mavo kosa eo anelanelan’i Farafangana hatrany Nosy Varika. Tombanana hahatratra 4,5m ny haavon’ny onja eo anelanelan’i Mo­rondava ka hatrany Farafangana. Manan-kery nanomboka omaly hatramin’ny anio izany, hoy ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Noraisin’ny […]

Dimy taona aorian’ny nametrahana azy : simba ny 63% amin’ny fotodrafitrasa fahazoana rano madio

Nohadihadiana sy nojerena akaiky ny olana amin’ny fahazoana rano madio sy ny sehatry ny fahadiovana sy fidiovana eto amintsika. Tan­jona ny hanome tolotra azo antoka maharitra, afaka misedra ny fiovan’ny toetr’andro amin’ireo zavatra telo ireo. Nanatontosa ny asa ny minisiteran’ny Rano sy ny fanadiovana ary fidiovana, miaraka amin’ny tohan’ny Unicef. […]