Auteur/autrice : Adnews

Fialan’ny jiosy !

Miraradraraka ny fanambarana ataon’ny hery velona politika sy ny mpisehatra rehetra, omaly. Namaly ny antsoantson’ny mpanara-baovao ny firaisamonim-pirenena sy ny raiamandreny am-panahy. Nitovy ny tadi-dokangan’izy ireo izay samy manameloka ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana nataon’ny Andrimpanjakana voalohany tokony hiaro izany dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana na ny HCC. Manoloana […]

Efa nahita mpividy: vehivavy saika hivaro-janaka, voasambotra

Voasambotry ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Fangato, Kaominina am­bonivohitra Mananjary, ny alarobia 13 septambra teo, ny renim-pianakaviana iray. Nifa­naraka tamin’ny olon-tsy fantatra izy fa hamidiny ny menaky ny ainy. Niroso teny amin’ny fitsarana ny roa tonta hikarakara ny taratasy handafosana ilay zaza. Zazavavy kely vao enim-bolana ity nokasainy hamidy […]

TSELATRA

Raim-pianakaviana iray maty tampoka tao anaty fiara fitanteram-bahoaka teo amin’ ny gara Makis Andohatapenaka, omaly. Mpandeha anaty fiara no nahatsikaritra io lehilahy io efa maneho fihetsika hafahafa. Nozahan’ny mpitsabo sy ny tomponandrai­kitra ilay mpandeha saingy efa tsy nisy aina intsony. Trano efatra samihafa may kilan’ny afo tao an-tanànan’Ambanilalandrano, fokontany Antetezana, […]