Hoentina any Andriampamaky ny «Tsenaben’ny boky». Ny 22 sy ny 23 septambra izao, hoentin’ny «Opération Bokiko» hivoaka kely ny renivohitra ny hetsika fanaon-dry zareo ho fampitiavana ny vaky boky. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana amin’izany ny varotra sy fampirantiana boky, fifaninanana maro samihafa. Alahady fahatelo ao anatin’ny volana ny 17 septambra […]
Auteur/autrice : Adnews
Vaky boky: nandray ny « Lecture en rire » ny boriborintany fahatelo
Tontosa omaly tolakandro, teny amin’ny boriborintany fahatelo, Antaninandro, ny hetsika «Lecture en rire», nokarakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny DACVC, sy ny vondrona mpanao hatsikana Be Tige sy Gasy Stand Uppers. Ankoatry ny fampahafantarana ny karazana hatsikana Stand Up. Tanjon’ny hetsika ihany koa ny fanentanana ny olona, indrindra ny ankizy […]
« Afondasin’Andohalo »: fiarahan’ny sakafo sy ny hira
Hotanterahina rahampitso 15 septambra manomboka amin’ny 4 ora tolakandro, eo amin’ny Zaridainan’Andohalo ny «Afondasin’Andohalo». Hetsika hoenti-mampiroborobo ny haitao ara-tsakafo malagasy. Hanehoana sy hihinanan’ireo izay ho tonga eny an-toerana ny sakafo malagasy. Hianohana ny hira sy ny mozika miaraka amin’i Eric Rason sy Nary & Co. Mpitendry gitara, mpihira, sns, tsy […]
Haikanto sy literatiora : manohana ny talenta vao ny Hetsika
“Tsy ampy mpanoro sy mpanohana ny mpiantsehatra eo amin’ny asa soratra malagasy”, hoy i Michèle Rakotoson. Miezaka mamaly ny filan’ny sehatry ny haikanto sy ny kolontsaina malagasy ny Hetsika, ho fampivelarana sy fampiroboroboana izany. Notanterahina, omaly, teny amin’ny trano famakiam-boky Mille Feuilles Behoririka, ny tafatafa sy valandresaka ho an’ny mpanao […]
Fiompiana trondro an-tanimbary: mbola malalaka ny tsena ary tsy ahina ny aretina eto Madagasikara
Seha-pihariana anisan’ny miroborobo fatratra ny fiompiana trondro karpa sy tilapia eto an-toerana. Faritra maro, ahitana mpiompy karpa be indrindra ary manao izany ho foto-pivelomana ny faritra Analamanga, Itasy, Matsiatra Ambony ary Vakinankaratra. Nampidirina teto Madagasikara ny trondro karpa tamin’ny taona 1914. Lasa karazan-trondro be mpiompy indrindra izy io ankehitriny. Azo […]




