Auteur/autrice : Adnews

Fifidianana: tsy hanolotra kandidà ny Fiombonana

Vita omaly, teny Ambatomirahavavy, ny kongresy nasionalin’ny antoko Fiombonana. Mazava ny tapak’izy ireo. “Tsy handrotsaka kandidà ho filoham-pirenena aloha izahay nefa misokatra amin’ny hery rehetra. Anton’izany ny tsy fahafenoan’ ny fepetra miantoka ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra, ahafahan’ny vahoaka maneho ny safidiny“, hoy ny sekretera jeneraly, i Durlin Retogniane. […]

AFF- Ravatomanga Haingo: “Miantso ny filoha Rajoelina Andry ho kandidà izahay”

Ranolava ny fiantsoana ny filohan’ny repoblika am-perinasa ho kandidà. Anisan’izany ny Andry sy fototra ho an’ny fampandrosoana (AFF), tarihin-dRavatomanga Haingo. Ho fantatra amin’ity herinandro ity ny ho valin-tenin’ny filoha Rajoelina Andry, manoloana ireo antso samihafa avy amin’ny sehatra isan-karazany tato ho ato. Tsy maintsy mametra-pialana izy ny faha-9 septambra raha […]