Auteur/autrice : Adnews

FANTINA SY FINTINA

Hanatitra dosie ny kandidà Rasolofono­ro­niaina Julia Mickaëlle, ny zoma izao. Na izany aza, nametraka ahiahy izy ireo ka nanatitra taratasy teny amin’ny HCC sy ny Ceni mba tsy hifamitahana. Naka toky amin’ny hahamatotra ny fifidianana sy nitaky ny ahafahan’ny rehetra mirotsa-kofidina izy ireo. Raikitra ny fihaonambem-pirenena hotarihin’ny FFKM. Hisokatra, anio […]

Antoko Marina : “Mbola tsara kokoa ny kolontsaina malagasy”

Manana fomba fitondrana tsara lavitra noho ny an’ny vahiny ny Malagasy, ary tena nahomby ny fampiharana izany fahiny, araka ny nambaran-dRanaivoson Désiré, filohan’ny antoko Marina na Ma­napa-kevitra iombonana ho an’ny fampandrosoana. Nijoro nanomboka ny taona 2015 ny antoko saingy somary nangina noho ny fandaminana anatiny sy ny zava-misy teto amin’ny firenena. Ainga […]

Toko tapaka…

  Dimy andro aty aorian’ny loza mahatsiravina nitranga teny amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ka nahafatesan’olona am-polony sy naharatrana olona an-jatony, misokatra ny fanadihadiana. Efa nisinda tsikelikely izay ny alahelo sy nisava ny hatezerana. Niara-nahita ny fifanomezan-tsiny. Mipoitra tsikelikely ny fifanilihana andraikitra. Tonga hatrany amin’ny fanononana anarana minisitra manokana aza ny an’ny […]

Filoha Andry Rajoelina tany Mandoto : “Ho taonan’ny fandresentsika ity 2023 ity”

Nanotrona ny famoahana ny andiany faha-44 eo anivon’ny Akademia Miaramila (Acmil), ao Antsirabe ny filoha Andry Rajoelina, omaly. Nitohy tany Mandoto ny fitsidihany niaraka tamin’ireo delegasiona notarihiny. “Tsy misy hahatohitra antsika na ny fahavalo na ny mpifaninana. Ho taonan’ny fifaninanana sy hahazoantsika fandresena ny 2023”, hoy izy, tao Mando­to, omaly, […]

TSELATRA

Tovolahy iray maty voahosin’ny kamiao teny amin’ny RN7, PK 152 + 200, tao Bemasoandro, fokontany Bemololo, kaominina Andranomanelatra Antsirabe II, ny sabotsy 26 aogositra teo. Saika hisongona sarety ilay kamiao kinanjo nifaoka tampoka ilay zaza. Olona iray tapaka tanteraka ny tongony. Natoron’ireo jiolahy mpaka an-keriny ny mpitandro filaminana ny toerana […]