Auteur/autrice : Adnews

Ambohimalaza : mpangalatra moto tratra tao anaty alan-goavy

Noraisim-potsiny tao anaty alan-goavy ny jiolahy nan­galatra moto tao Anta­hikihady/Fidanana, Ambohi­malaza, ny sabotsy lasa teo. Natosiny mangingina ny moto marika Kymco iray tao amin’ny Escale Ambohimalaza nanamorona ny lalam-pirenana faharoa. Nanao fitarainana ny tompon’entana. Nikaroka avy hatrany ny mpitandro filaminana. Hitan’ny tsara sitrapo io lehilahy izay nanosika ilay moto halatra […]

Isotry : mpamaky trano tratran’ny polisy

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany fahefatra Isotry (CSP4), teny Manarintsoa Anatihazo Isotry, afakomaly, ny jiolahy raindahiny amin’ny vaky trano. Nahazo antso tamin’ny vondron’ny fandriampahalemana ao Manarintsoa Anatihazo Isotry ny polisy (CSP4) momba ny fisian’ity jiolahy iray namaky trano ity. Tsikaritry ny tompon-trano ny asa ratsy nataony tamin’io fotoana […]

Rangahy naiditra am-ponja : nanolana zaza vao herintaona sy tapany

Nidoboka am-ponja rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny raim-pianakaviana nanolana zazakely iray taona sy tapany tao Moramanga. Potika tanteraka ny fivavian’ilay niharam-boina… Naiditra am-ponja vonjimaika ny raim-pianakaviana iray nanolana zaza tao amin’ny fokontany Amparafara, kaominina Am­pasipotsy gara, distrikan’i Moramanga, ny faran’ny herinandro teo. Nanararaotra ny tsy fisian’ny olon-dehibe tao amin’ny […]