Auteur/autrice : Adnews

« Branchement mora » : tonga ny kaontera andiany faharoa miisa 25 000

Tetikasa hampisitrahana herinaratra ho an’ny tokantrano marefo manerana ny Nosy ny “branchement mora”. Niampy 25 000 isa indray ny kaontera hojifaina amin’ny vidiny 30 000Ar. Tetikasa natao hitsinjovana ny sarambabem-bahoaka ny “branchement mora”. Afaka misitraka izany ireo tokantrano voama­rin’ny fokontany sy misoratra ara-dalàna ao aminy. Kaontera 25 000 isa indray […]

Afon-dasin’Andohalo: hanafana ny hetsika ny Iraimbilanja

Hianoka fampisehoana iarahana amin’ny tarika Iraimbi­lanja indray ny mpankafy ny « Afon-dasin’Ando­halo », anio hariva, manomboka amin’ny 4 ora, ao amin’ny Zaridainan’ Andohalo. Ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy no miara-misalahy amin’ny fanatanterahina ity hetsika ity. Ankoatran’ny fanomezana sehatra ny mpanakanto, tanjon’ny « Afon-dasin’Andohalo » ihany koa ny […]

JIOI – « Volet jeunesse »: Tsy fifaninanana fa fampiraisana ny tanora

Tontosaina eny amin’ny Arena Ivandry, ao anatin’ny fe-potoana hanatanterahana ny lalaon’ny Nosy, ny « Volet jeunesse ». Ankizy sy tanora 14 hatramin’ny 25 taona, 14 isa avy, avy amin’ny firenena fito no hifandimby handray anjara amin’izany. Marihina fa tsy fifaninanana no atao fa hetsika entina hanamafisana ny fifandraisan’ireo tanora avy […]

Tsy ampy fototra iaingana: mila mahay tantara ny Malagasy

Nandalo vanim-potoana lehibe maro i Madagasi­kara sy ny Malagasy. Mbola manako amin’ny ankehitriny izy ireny. Tao ny namelatra holatra fa nisy ihany koa ireo sarotsaro-pantarina ihany ny tena zava-nitranga marina. Tantara avokoa izany… Mila hay sy fantatra ! Ny ankamaroan’ny tantaran’i Madagasikara, vahiny no nanoratra azy. Ny ankabeazany, voatahiry any ivelany. […]

FANTINA sy FINTINA

Voatendry ho tale kabinetran’ny Prezidansa, Ranoromaro Lova Hasinirina, araka ny didy navoakan’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha. Hisolo toerana vonjimaika an’Andrianarisoa Romy, nisahana izany teo aloha ny tenany. Hanao ny kongresy nasionaliny eny Andraharo, anio sy rahampitso, ny HVM. Ho fantatra eo ny ho kandidà hatolotry ny antoko amin’ny […]