Kandidà voalohany, nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina tetsy amin’ny HCC, ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. “Tafapetraka izany ka ampitao amin’ny vahoaka fa ho avy Dada”, hoy izy, omaly, tetsy Ambohidahy. Nambarany fa nisy fahatarana ny dingana fanomanana sy ny fakana ny antontan-taratasy teny anivon’ny biraom-panjakana. Efa mazava anefa ny toromarika […]
Auteur/autrice : Adnews
Tsy ho valalan’amboa
Mihazakazakabe ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Tsy mahasakana ny afo manodidina ny politika tsy hirehatra ny lalaon’ny Nosy, izay hanomboka anio. Samy mitondra ny lohany ilay Malagasy. Manao izay mahametimety azy manokana. Tsy mizaha ilay tombontsoa iarahan’ny besinimaro intsony. Voazarazaran’ny «ahy aloha» vao ny hafa. Mahatonga saina ny zava-miseho. […]
Fanomanana ny fifidianana : manameloka ny sakantsakana ny KMF/Cnoe
Nanao antso avo ny eo anivon’ny KMF/Cnoe amin’izao hirosoana amin’ny fifidianana izao. Tsipahin’izy ireo marindrano ny mety ho fanohintohinana ny firosoana amin’ny fifidianana. “Aoka hohamoraina ny fikarakaran’ireo kandidà ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina ary tsy tokony hiandany ny mpitantan-draharaham-panjakana”, hoy ny filohany, Namearson Robert, tetsy Antanimena, omaly. Nohitsiny fa helohin’izy ireo tanteraka […]
Tselatra
Olona iray maty, efa naratra. Io no vokatry ny fianjeran’ny fiaramanidina kely iray hofain’ny orinasa Aqualma amin’ny Sky Service tao Fenoarivo Besakoa kaominina ambanivohitr’i Mahajamba Mahajanga II. Teo am-piaingana no nitranga ny loza. Nianjera ka nirehitra avy hatrany ilay fiaramanidina. Nentina hopitaly ireo naratra. Olona telo tratra tao anaty kamiao […]
Andranonakanga : jiolahy roa indray maty voatifitra
Lavon’ny balan’ny polisy nampian’ny zandary sy Tafika tao amin’ny fokontany Tanambao SPM, kaominina Maintirano, afakomaly alina, ny jiolahy roa. Jiolahy iray hafa azo sambo-belona. Ny 18 aogositra lasa teo, nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Tanambao. Nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana ka fantatra tamin’izany fa avy ao Andranonakanga, kaominina Mafaijijo […]




