Auteur/autrice : Adnews

Tselatra

Andro miditra ! Nivarina tany anaty rano tao Vohiparara Ranomafana, RN25, omaly, ny fiara iray nitondra razana. Resin-tory tampoka ny mpamily ka tsy nahafehy ny familiana intsony. Nisy tamin’ireo fianakaviana tao anaty fiara no naratra. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Voatery naiditra ambalampamonjana ny kamiaobe iray nitondra olona marobe niaraka […]

Ady tany : raim-pianakaviana hita faty nifatotra sady nodorana

Nodorana ny loha ary nofatorana tady ny raim-pianakaviana iray hita faty tao Andasibe Andranomena, fokontany Ambodirotra, kaominina ambanivohitra Mangarivotra, distrikan’i Moramanga, afakomaly. Tsy hita nanomboka ny 6 aogositra lasa teo izy. Ny alatsinainy teo, naharay loharanom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo tao amin’ny tanànan’i Mangidi­foza ny zandary. Vatana mangatsiaka efa kilan’ny afo […]

Halatra omby : dahalo enin-dahy voasambotra

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny dahalo enin-dahy nangalatra omby tao Madirofody, fokontany Lakovola, kaominina Marovoay, ny faran’ny herinandro teo. Nitran­gana fandrobana nataon’ny dahalo am-polony tao amin’io tanàna io ny 17 aogositra lasa teo. Nentin’ireo olon-dratsy tamin’izany ny omby miisa folo, tokony tamin’ny 4 ora ma­raina. Nampandre ny zandary miasa ao […]