Auteur/autrice : Adnews

Fitaterana an-tariby: tafapetrana ny pylône avo indrina maneran-tany

Mitohy ny fanamboarana ny fotodrafitrasa sy fanatsarana ny fitaterana eto amintsika. Goavana sy anisan’ny moderina indrindra eto Ma­daga­sikara ny fanaovana ny fitaterana an-tariby. Am­piasana fampitaovana lehibe ireo gara sy pylônes izay hametrahana ny fotodrafitrasa. Araka izany, tafapetraka ao Tsaralalana ny pylône mo­nofut, P 05 avo indrindra ma­ne­ran-tany. Mire­fy 49m izany […]

Oratsimba: Tsy voafehy ny teknikam-panondranana

Ambony ny taham-pahafatesan’ny oratsimba eto Madagasikara noho ny tsy fahafehazana ny teknikam-panondranana. Maro ny fepetra arahina momban’ny lalànan’ny fanondranana ity hazandrano ity eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Oratsimba velona no ahondrana, mitombo avo 5 na 10 heny amin’ny oratsimba nampangatsiahana ny vidin’izany. Tonga tao Ankeliky, kaominina Belo, faritra Menabe, ny tomponandraikitry […]

Lalaon’ny Nosy andiany faha-11: hampiroborobo ny sehatry ny fizahantany

Fotoana hampiakatra avo ny toekarena malagasy sy ny fizahantany eto an-toerana ny lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana hatao eto Madagasikara. Manana ny paikady hanatanterahana izany ny tomponandraikitra samihafa. Hetsika goavana sady anisan’ny handrasan’ny mpiantsehatra isan-karazany ny lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana (JIOI), andiany faha-11, izay hatao eto Madagasikara […]

VAOVAO TAMBATRA

Vita ny lalana « rocade extérieure » ao amin’ny kaominina Betsinjaka Toliara sy ny lalana rarivato antsoina hoe Andakoro, ao an-tampon-tanànan’i Toliara ; nohavaozina ho lasa hanana fanamarinana iraisam-pirenena koa ny seranam-piaramanidina. Hampitombo ny mpizahatany ireo, nilaza ny filoha Rajoelina ny hitandroan’ny mponina ny fahadiovana. Misy tetibola manokana ampiasain’ny Madagascar National Parks […]

Vita ny RN 9: nidina 60% ny saran-dalana

Hita avy hatrany ny tombontsoa entin’ny fahavitan’ny lalam-pirenena fahasivy (RN 9) ho godirao. Mihena ny faharetan’ny fotoana hanaovana ny lalana, sady nidina koa ny saran-dalan’ny taksiborosy. Ho an’ny fifamoivoizana Toliara mankany Bevoay, nilaza Raza­findramosa Germain, mponina any amin’ny kaominina Anka­tsa­katsa, akaikin’i Bevoay, fa nihena adiny 3 ny faharetan’ny dia, raha […]