Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Vahaolan’ny Hafari ny Repoblika fahadimy, araka ny nambaran’ny filoha Rafanomezantsoa Jean Nirina, omaly. “Tsy olana na ahemotra aza aloha ny fifidianana ary atsangana ny fitondrana Tetezamita. Tena efa tsy mifanome hasina sy mifanaja ary mifandrahona isika izao”, hoy izy. Manahy korontana sy krizy ny Hafari. Mankasitraka ny dingana ataon’ny FFKM […]

Fanatsarana ny fanaovana politika : hanamafy fototra aloha ny antoko Marina

Natao tetsy Antanimena, ny sabotsy teo, ny kongresin’ ny antoko Marina. Tapaka tamin’izany ary araka ny fotokevitra fa hohamafisina aloha ny eny ifotony. “Hofanina sy homena traikefa ireo hitantana sy mihevitra ny hitondra ny eny anivon’ny kaominina ato anatin’ny 5 taona ho avy. Hametraka ny fototra tsikeli­kely izahay ho fanatsarana […]

Boribory vetaveta!

Miraradraraka an-tany ny ran’olombelona tsy manan-tsiny. Maro ny rava fananana anatin’ny indray mipi-maso. Betsaka ny maratra sy mitondra takaitra mandra-maty. Santionany amin’ny voka-dratsin’ny lozam-pifamoivoi­zana niseholany tato ho ato izany. Mampalahelo fa noho ny tandrevaka sy ny fanaovana antsirambina ary indrindra ny tsy firaharahana ain’olona no mahatonga izany. Marina, tsy maty […]

Filohan’ny FJKM : “Olona azo ireharehana ny mpanao politika”

Nankalazaina tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny faha-55 taonan’ny FJKM. Ankoatra ny firesahana ny fiainam-piangonana, nitondra hafatra ho an’ny mpanao politika koa ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi nandritra izany. “Eo amin’ny sehatry ny politika, ho kristia­nina vavolombelon’i Kristy. Ka i Jesoa Kristy no tompon’ny baiko, fa tsy ny antoko […]

TSELATRA

Namoy ny ainy taorian’ny faharatrany ilay tovolahy niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny Ambohitri­manjaka, ny alahady teo. Nifandona tamin’ny fiara, tapaka ny fen’io lehilahy tra-doza io. Nentina novonjena teny anivon’ny hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy. Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Romana 12 : 8 no nentin’ny Seg teo aloha, ny Jly Ravalomanana Richard namehy […]