Fanatajahantena

Sombim-baovao

Tontosa teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny sabotsy lasa teo, ny andiany fahefatra, amin’ny Xtrême Combat, taranja kick-boxing. Firenena vahiny 4 no tonga nandray anjara, niaraka tamin’ny ekipa malagasy, nahitana an’i Frantsa, La Réunion, Mayotte ary i Maurice. Nisongadina ny Malagasy mpikatroka. Nanomboka omaly, ny fifaninanana “Fety de Baskety e!”, […]

“King of JJB” : Nisongadina ny klioban’ny Chekmat

Tontosa omaly, teny amin’ny Immeuble Soa Center Soanierana, ny fifaninanana “King of JJB”, taranja Jiu-Jitsu Breziliana. Fifaninanana no­karakarain’ny Estrella Team ho fankalazana ny faha-12 taonan’ny klioba ity notontosaina ity. Klioba 7 no tonga namaly ny antso ka nisongadina ny klioban’ny Chekmat izay nandrombaka ny fandresena teo amin’ny Violette-Marron-Noire, tamin’ny alalan’i […]

Rugby – «Top 12 Mada»: Mbola tsy afa-bela tamin’ny Manjakaray ny Savony

Voahaja ny lojika ary mbola voaporofo ny maha andrarezina ny fileovana FTM Manjakaray, eo amin’ny fifaninanana “Top 12 Mada”. Tsy nahatohitra azy ireo ny STM (Savony), nandritra ny andro fahenina notanterahina omaly. Notanterahina omaly, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahenina amin’ny fifaninanam-pirenena “Top 12”, taranja rugby. Anisan’ny lalao […]

Volley-« Open 2è Division » : hanao famaranana ny ASI sy ny VBCD

Hotanterahina anio, eny amin’ny kianja mitafon’Ankatso, ny lalao famaranana ho an’ny “Open 2é division Anala­manga”, taranja Volley-ball, sokajy lehilahy. Hifanandrina amin’izany ny ekipan’ny ASI sy ny VBCD. Raha ny voka-dalao tamin’ny manasa-dalana, omaly, nandresy ny CSA, tamin’ny seta 3 no ho 0 ny VBCD, raha toa ka seta 3 no […]