Nanatanteraka fihaonana tamin’ireo filohan’ny federasiona, afakomaly, teny amin’ny Palais des sports Mahamasina, ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Marson Moustapha Abdulah. Maro ireo filohan’ny federasiona tazana nanatrika ny fotoana. Anisan’izany ny mpitantana ny taranja bisikileta, ny fibatana fonjamby, ny tenisy ambony latabatra, ny badminton, ny Taekwondo, ny volley-ball, […]
Fanatajahantena
tsy niatrika ny cosafa : «Nanomana ny Can ny federasiona »
Hotontosaina any Maputo Mozambique, ny 26 septambra hatramin’ny 5 oktobra, ny fifanintsanana baolina kitra ho an’ny firenena aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika, «Cosafa Men’s”, sokajy U20, zazalahy. Tsy anisan’ireo handray anjara amin’izany i Madagasikara, raha ny vaovao voaray afakomaly. «Sahirana tamin’ny fikarakarana ny Barea izay miatrika ny fifanintsanana hiadiana ny […]
Rugby – “WXV III” : hanainga ny 17 septambra ho avy izao ny Makis Ladies
Hanomboka ny 27 septambra ho avy izao ny fifanintsanana iraisam-pirenena amin’ny taranja Rugby, sokajy vehivavy, “WXV III”, izay hatao any Dubai. Anisan’ireo handray anjara amin’izany i Madagasikara. Araka ny vaovao nampitan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Malagasy Rugby, omaly, fantatra fa hanainga eto an-tanindrazana, ho any Kenya, ny 17 septambra ho […]
“Fety de Baskety e!”: Ekipa 110 no andrasana hifaninana
Raikitra ny andiany manokana, amin’ny “Fety de Baskety e!”, fankalazana ny faha-15 taonan’ny AT2B (Andraisoro tia basket-ball). Fantatra ny daty hanatanterahina ny fifaninanana, izay hatao ny 14 septambra hatramin’ny 25 novambra izao. Ekipa 110 no andrasana, raha toa ka 94 ny tamin’ny taona 2018. Araka izany, tsy ny kianjan’Andraisoro irery […]
SOMBIM-BAOVAO
Natao tao amin’ny kianja Malacam Antanimena, ny alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena, amin’ny taranja rugby, federaly II, « XXL Top 20 ». Noresen’ny ekipan’ny CRAI Ambalavao Isotry, tamin’ny isa 20 no ho 15, ny klioban’Ikopa. Tsiahivina fa izay laharana roa voalohany amin’ity Top 20 ity no miakatra Top 12. Notanterahina ny faran’ny […]