Fanatajahantena

“PFL” – As Ste Anne sy CFFA : Hifandona ny samy Atsimondrano

Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy izao ny andro fahavalo sy fahasivin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Pureplay Foot­ball League (PFL)”. Ani­san’ny lalao tena andrasan’ny maro, amin’ny alahady ho avy izao, etsy Iavoloha, ny fihaonan’ireo samy Atsimondrano: As Ste Anne sy ny CFFA Andoharanofotsy. Raha hiverenana kely ny fifanandrinan’ny roa […]

Tsipy kanetibe - “Grand open de Mada” : Hotolorana 2 tapitrisa Ar izay voalohany

Hanomboka ny taom-pilalaovana ny Fédération sport-boule de Madagascar (FSBM). Fifaninanana misokatra ho an’ny rehetra no hisantarana izany. Handray anjara amin’izany avokoa ireo mpilalao rehetra. Hahazo lelavola izay laharana voalohany. Hotontosaina eny amin’ny Kianja Soaman­dra­kizay, Androhibe, ra­hampitso sabotsy 14 sy ny alahady 15 marsa ho avy izao, ny fanombohana ny taom-pilalaovana […]

Basikety 3×3 – “Champion’s Cup” : Hiakatra an-kianja, anio, ny Ankoay

Anio no hiakatra an-kianja ny ekipa malagasy Ankoay, ao anatin’ny fifaninanana “Fiba 3×3 Champion’s Cup”, taranja basikety, izay hatao any Bangkok Thaïlande. Ny An­koay lehilahy no hisantatra izany, anio, amin’ny 2 ora sy 5 minitra, ka ny ekipan’i Australie no hifanandrina voalohany amin-dry Elly, Livio, Arnol ary i Anthony. Aorian’­ […]

Trail d’Ibity andiany faha-10 : Hanangonam-bola ho an’ireo ankizy sahirana

Hotanterahina any amin’ny faritr’i Vakinankaratra, ao Ibity, ny 19 avrily ho avy izao, ny fifaninanana hazakazaka mi­tety vohitra sy natiora, “Trail d’Ibity” andiany fahafolo. Toy ny tamin’ny taona lasa ihany, natao hanangonam-bola ho­mena ireo ankizy sahirana ara-tsakafo ny hetsika. Araka ny fanazavana azo tamin’ny tomponandraikitra, mpandray anjara 1 500 eo […]

Basikety -Tanà Ville : Hangotraka ny famaranana eo amin’ny N1B

Hotanterahina ny faran’ny herinandro izao, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny lalao famaranana eo amin’ny sokajy N1B amin’ny fifaninanana eo anivon’ny seksionina Antananarivo Renivohitra, taranja basikety, taona 2026. Hangotraka ny lalao amin’io fotoana io satria klioba samy manana ny maha izy azy no hifanandrina. Ahitana ny ACA sy ny Lucadro, […]