Hotontosaina ny alahady ho avy izao, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahadimin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”, federaly I. Anisan’ny fifanandrinana tena andrasan’ny maro amin’izany, ny lalao izay hihaonan’ny FTM Manjakaray sy ny TFMA Ankasina. Mbola manala vela ny mpilalaon’Ankasina amin’ity lalao ity. […]
Fanatajahantena
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina anio, eny Soavina Atmosphère, ny fifanintsanan’ny Nosy, «Island Cup», taranja tenisy anaty efitrano «padel». Firenena telo moa no handray anjara amin’izany, i Madagasikara, mpampiantrano, i Maurice ary La Réunion. Tsiahivina fa i Maurice no hifanandrina amin’ireo Malagasy mpilalao voalohany. Handeha mivantana amin’ny Televiziona Malagasy (TVM) ny lalao baolina kitra […]
Faha-15 taonan’ny AT2B: homarihina amin’ny “Fety de Baskety e!” miavaka
“Sady mifety no manao basikety”, araka io teny faneva io, hafana indray ity andiany manokana amin’ny “Fety de Basikety e!” ity, izay hankalazana ny faha-15 taonan’ny AT2B (Andraisoro tia basket-ball). Hetsika hotanterahina manomboka ny tapaky ny volana septambra izao. Sokajy 10 no handray anjara amin’izany, misy ny Seniors, lahy sy […]
Fifanintsanana any Tunisie: hifanohana ny Barea sy ny mpanao karate
Samy miatrika ny lalao any Tunisie ny ekipa nasionaly Barea de Madagascar sy ny Malagasy mpikatroka karate. Araka ny vaovao voaray, omaly, tany an-toerana, nisy ny fifampiresahana teo amin’ny Federasiona roa tonta ka hifanohana izy ireo mba ho voninahitr’i Madagasikara. Ho avy hijery ny lalaon’ny Barea sy ny Aigle de […]
Baolina kitra – «Can 2025»: mpilalao naharitra tao amin’ny Barea de Madagascar Raveloson Rayan
Mahafantatra tsara ny Aigle du Carthage, Tunisie, Raveloson Rayan. Nanambara ny fahitany ny lalao hidonana amin’ity ekipa ity, ny tenany. Gazety Taratra (*) : Ahoana ny fahitanao ny ekipan’i Tunisie izay «favori» ary hilalao eto amin’ny taniny? Raveloson Rayan (-): Marina fa «favori» i Tunisie ary efa nasehony izany. Ekipa […]