Fanatajahantena

“Pureplay Football League” : Voasazy noho ny adin’ny FMF sy ny mpitsara ny klioba ao Boeny

Tsy afaka hijery sy hankafy baolina kitra divizionina voalohany nasionaly ny mponina ao Mahajanga raha tsy milamina ny disadisa misy eo amin’ny mpitsara sy ny federasionina. Lasa resy tsy miady ireo klioba any an-toerana, efa niharan’izany ny Tsaramandroso FC. Noho ny disadisa misy eo amin’ny mpitsara sasany, any Mahajan­ga, sy […]

Tsipy kanetibe – PPF 2026: Raraka teo amin’ny ampahefa-dalana ny Malagasy

Nifarana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana, ny dian’ny ekipam-pirenena malagasy, nandritra ny famaranana lehibe niadiana ny Passion Pétanque Française (PPF 2026), taranja tsipy kanetibe. Fihaonana notanterahina oma­ly tao amin’ny Boulo­drome Douaisis, France. Re­sin’­ny ekipan’i Baudino sy i Maurel ary i Delahaye, tamin’ ny isa 13 no ho 9 i Yves sy […]

DAKA AN-JORONY: Ketriketrika mahatonga kotrokotroka

Tsy mitsaha-mitombo sy miitatra tahaka ny sima misioka ny olana amin’ny fanatanjahantena, eto Madagasikara. Ny eo tsy voavaha, ny hafa miditra ihany. Misy manko ireo miketriketrika ka mahatonga kotrokotroka. Na tsy maresaka be aza, misoko mangina toy ny homamiadana ny fifandirana eo amin’ny lalaon-tsaina «echec». Mifandrirotra amin’izay mampety azy, ny […]

Volley-ball – CCCOI 2026 : Nihambozona medaly volafotsy ny Zandary lehilahy

Narovan’ny zandary lehilahy ny voninahi-pirenena tany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompon’ny amboara (CCCOI 2026), taranja volley-ball. Tompondaka lefitra izy ireo, ary nitondra medaly volafotsy nody. Nifarana ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianja mitafon’i Victoria Sey­chelles, ny andiany faha-30 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny […]