Hiditra amin’ny andro fahafito ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”, ny alahady ho avy izao. Fihaonana hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Hanamarika izany ny fihaonan’ny FTM Manjakaray sy ny CEA Andranomanalina. Hangotraka sy hanana ny lanjany manokana io lalao io satria hamaritra ny mety […]
Fanatajahantena
Barean’i Madagasikara : Raikitra ny fampivondronana ny mpilalao
Fantatra omaly fa efa nalefa any amin’ny mpilalao tsirairay avy ny taratasy fampiantsoana azy ireo amin’ny fanatevenana ny ekipam-pirenena Barea. Hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana izy ireo amin’ity volana ity. Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, dia efa nahazo ny taratasy fampiantsoana azy avokoa […]
Tenisy : Hiatrika lalao iraisam-pirenena 11
Feno tanteraka ny fandaharam-potoana ho an’ny Federasionina malagasin’ny tennis (FMT) ho an’ity taom-pilalaovana 2026 ity. Ankoatra ny fifaninanana eto an-toerana, miisa 11 ireo fihaonana iraisam-pirenena hatrehina. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiantranoana ny “ITF J30”, sokajy junior. Hotanterahina ny 29 septambra – 3 oktobra ny dingana voalohany, ny 6 – 10 […]
SOMBIM-BAOVAO
Ny ekipa nisy an’i Dylan Rocher sy i Robineau ary i Rizzi no nibata ny amboara tamin’ny « Passion pétanque Française (PPF 2026). Resin’izy ireo teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 10, ny ekipan’ Andriantseheno Christian (Racl). Lalao natao ny alahady lasa teo, tao Douaisis France. Hotanterahina etsy amin’ny […]
Ankizy milalao : Ekipa 106 tonga nandray anjara
Notanterahina teny amin’ny Kianja Betongolo, ny 7 sy ny 8 marsa teo ny fifaninanana ho an’ny ankizy, « Ankizy milalao» andiany faharoa, izay karakarain’ny Analakely Football Academy (Afa). Nilaza ny mpikarakara fa nahomby ny hetsika, nahatratra 106 ny ekipa tonga nandray anjara tamin’izany, izay nozaraina tamin’ny sokajy U7, misy ekipa […]





