Fanatajahantena

Marathon – Mada 2024 : hatao ny 10 novambra ho avy izao

Hanakatonan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma ny taom-pilalaovana 2024, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja marathon. Hampiantrano izany ny ligin’Analamanga, ny 10 novambra ho avy izao. Handray anjara avokoa ireo ligy 14 mandrafitra ny federasiona, Analamanga, Vakinankaratra, Diana, Boeny, Itasy, Bongolava, Ihorombe, Fitovinany, Atsimo Andrefana, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Anôsy, Matsiatra […]

Federasiona malagasy Padel : manana vina ny hampivelatra ny taranja manerana an’i Madagasikara

Afapo tanteraka tamin’ny fifanintsanana “VMoto Padel Trophy” ny Malagasy mpilalao padel. Miisa 36 mianadahy ireo mpandray anjara tonga teny Ambatobe, ny 28-29 septambra teo. Hiezaka ny hanaparitaka ny taranja any amin’ny faritra ny federasiona. Nikarakara fifanintsanana “VMoto Padel Trophy” tetsy amin’ny Lamakoo Padel Center Am­batobe, ny faran’ny herinandro teo, ny […]

JJB-“World Championship” : Malagasy mpikatroka 24 hiatrika fampivondronana

Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ny lisitr’ireo mpikatroka hifantenana hiatrika ny fiadiana ny tompondaka ma­neran-tany, taranja Jiu-jitsu breziliana “World Champion­ship”. Fifaninanana izay hatao any Abu Dhabi, ny 6 hatramin’ ny 16 novambra izao. Mpika­troka 24 no voaantso amin’ izany ary hiatrika fampivondronana voalohany ny alarobia 2 oktobra izao, araka ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Ny 11 oktobra ho avy izao no hiatrika ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Can 2025” hatao any Maroc indray i Madagasikara. Ny ekipam-pirenen’i Gambie no hifanandrina amin’ny Barea de Madagascar amin’izany. Lalao izay hatao any Maroc. Efa manatan­teraka fampivondronana etsy Mahamasina ny mpanazatran’ny ekipa, ny Coach Rôrô. Nahita vokatra […]

Sénégal : hanangana ivontoerana eto Madagasikara

Tonga nitsidika ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Marson Moustapha Abdulah, omaly, tetsy Ambo­hijatovo, ny Consul honoraire an’i Sénégal eto Madagasikara, Souleymane Diagne. Nifampiresahana ny fampivoarana ny fanatanjahantena sy ny tanora eto Madagasikara ka hisy ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Sénégal momba izany. Araka ny vaovao […]