Fanatajahantena

Tenisy – “ITF World Tour Junior J30”: nanao pao-droa Rakotomalala Mahefa

Niavaka ny vokatra azon’ny Malagasy tamin’ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny “ITF Tennis World Tour Junior J30”. Nahazo amboara telo i Madagasikara ka ny roa tamin’ireo norombahin-dRakotomalala Mahefa avokoa. Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kian­jan’ ny Club Olympique de Tananarive (COT), ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny “ITF […]

Futsal – « Mada 2024 » : Ekipa 10 isan-tsokajy no hifanintsana

Hotontosaina eto Anta­nanarivo, ny 28 oktobra hatramin’ny 3 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra anaty efitrano “Futsal”, sokajy U13, U15, U17 ary ny zokiny Vétérans sy ny Super vétérans. Amin’ity andiany voalohany ity, nilaza ny filohan’ny Kaomisionina misahana ny futsal sy ny beach […]

Baolina kitra – D2 Nasionaly : Tafita any amin’ny PFL ny FC Avenir du Sud sy ny FC Theo

Nifarana omaly, teny amin’ny Kianja Elgeco plus By-pass, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa nasionaly, « World Cola Ligue des Champions ». Nahazo ny laharana voalohany ny FC Avenir du Sud. Efa fantatra avokoa ny anaran’ireo klioba tafita any amin’ny diviziona voalohany «Pureplay Football League (PFL)». Nahazo ny tapakila […]

Kianja CFFA Andoharanofotsy: Nomena ny mpianatra hanaovana fanatanjahantena

Teny natao, tsy maintsy tanterahina. Natolotry ny klioba CFFA Andoharanofotsy ho an’ireo sekoly ao anatin’iny faritra Andoharanofotsy iny ny kianja filalaovam-baolina azy ireo. Ny alakamisy lasa teo no natolotra tamin’ny fomba ofisialy izany. Laharam-pahamehana amin’izany ny hanaovan’ny mpianatra fanatanjahantena. Nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa (Tôta), ben’ny Tanànan’Andoharanofotsy sady filohan’ny ligin’Analamanga taranja baolina kitra, […]

Sombim-baovao

Nitohy ny sabotsy sy alahady lasa teo ny fifaninanana “Fety de Baskety e!”, fankalazana ny faha-15 taonan’ny AT2B. Lalao 29 no nitranga tamin’ny kianja telo, ka anisan’ny nifanandrina ny L2VB sy ny Zoulou Papa (52-56), sokajy Vétérans. Hiditra amin’ny andro faha-5, anio, ny fiadiana ny ho tompondaka nasionaly, N2A elites […]